Isan’ny mitana ny sain’ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao ka tsy hay tsy ho resahina, hoy ny filohan’ny antoko politika Otrikafo no sady mpanolontsaina tekinikan’ny filohan’ny fanavaozana, Elia Rabevahiny, ny fironan’ny fitondràm-panjakàna any antsinanana eo amin’ny lafiny diplaomasia. Ny marimarina kokoa, hoy izy, dia ny fiarahana amin’ireto firenena anaty BRICS ireto. Nisy an’iny kabary nataon’ny filohan’ny fanavaozana ny alatsinainy teny amin’ny CCI Ivato. Ho anay ato amin’ny Otrikafo dia zava-dehibe izany safidy izany raha mitaha amin’ny fifandraisana tamin’ny tandrefana, indrindra, fa i Lafrantsa. Ilaina mihitsy ireny fahasahiana ireny no sady manery ihany koa ny fitondràm-panjakàna hijery hoe iza no olona afaka miaradia amin’izay fomba fijery vaovao amin’ny lafiny diplaomasia izay. Mifanipaka tanteraka ny filàn’ny tandrefana sy tantsinanana. Betsaka ny zavatra hiova aterak’ireny na eo amin’ny resaka sosialy na toekarena na ny fifandraisana diplaomatika koa aza dia misy lafin-javatra tsy maintsy jerena. Misy milaza hoe ny Otrikafo tsy tia vahiny, tsy tia frantsay nefa tsy izany fa ilay fiaraha-miasa amin’ny tandrefana mihitsy no efa manahirana. Rariny raha sahy mitodika miantsinanana ny fitondràna! Misy paikady tsy maintsy apetraka koa izany ao anatin’izany satria nisafidy fiaraha-miombon’antoka hafa isika. Nanana traikefa be dia be tamin’ny fiarahana tamin’ny tandrefana tsinona isika. Izao nefa izany hiara-hiasa amin’ny tantsinanana indray. Ny fifandraisana iraisampirenena dia resaka tombontsoa foana fa tsy misy finamànana. Mila mahay miady ny tombontsoantsika izany isika ao anatin’izay fa tsy sanatriavin’ny vava faty antoka toy ny teo aloha ihany. Mba tsy hoe hiala an’Ankatso dia Ambohidempona fa tena mila mailo isika. Manana ny fomba fiasany sy fahazarany koa ny tantsinanana, izay mety samihafa amin’ny an’ny tandrefana. Tsy maintsy sarotiny foana koa nefa isika amin’ny fiandrianam-pirenena satria na hisafidy hiaraka amin’iza isika na iza dia resaka tombontsoa foana io. Mila mahay miaro ny tombontsoantsika isika. Mila jerena ny ahitàn’ny vahoaka malagasy tombontsoa bebe kokoa miaraka amin’izay tantsinanana izay satria efa be loatra ny traikefa niaraka tamin’ny tandrefana nefa tsy nahitàm-bokany, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona