distrikan'i Vangaindrano no voalaza fa namoy fo tany Vohindava Manambondro, ny alatsinainy teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Be fo izy io, raha ny fanazavana. Nangataka akoho sy vola tamin'ny ray aman-dreniny mba ho entina mampifaly ny olon-tiany hitsangatsangana tamin'iny alatsinain'ny Paska iny, saingy tsy nahazo. Matetika rehefa tsy afa-po amin'ny fangatahany tahaka izao izy dia lasa any an-tsaha manimba ny voly jirofon'ny ray aman-dreniny. Nihidy tao anaty trano kely izy ary ny tadin'ny sakaosiny ihany no nafatony tamin'ny tendany. Natsotrany nankany aoriana ny tongony, araka ny fizahan'ireo manam-pahefana. Nihidy avy ao anatiny ny trano. Tsy nisy ratra ny vatany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny