Miala any ny fanafoanana na famonoana ny USAID na Sampan-draharaha Amerikanina misahana ny fampandrosoana eran-tany, raha ny resaka masiaka ataon’ny mpitondra Amerikanina. Mahitsy sy mazava ny tenin’i Elon Musk, tao amin’ny tambazotra sosialy X hoe : « USAID is a criminal adminisitration. Time for it to die » na raha adika tsotsotra dia hoe : « Fikambanan-jiolahy ny USAID. Fotoana izao hamonoana an’io. ». Misy mpiasan'ny USAID tsy nanaiky hamoaka ny antsipirihany momba ny fitantanam-bola ao anatin'ity rafitra miandraikitra ny fanampiana Amerikanina amin’ny firenena hafa ity, ka nampiaka-peo i Elon Musk. Isan’ireo olona to teny sy tsy mitsitsy ao Etazonia ity mpanefoefo maneran-tany sady isan’ny mpamatsy vola voalohany tamin’ny fahalanian’i Donald Trump ity. Izy no minisitra misahana ny DOGE (Department of government efficiency). Ny USAID eto Madagasikara dia mamatsy vola ho an’ny Fiarovana ny ala amin’ny Faritra maro, mamatsy vola ho an’ny fambolena, ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ny USAID no manome tetibola fiatrehana ny ady amin’ny tazomoka, ny VIH/SIDA, sy ireo aretina maro. Miampy ireo sehatra rehetra novatsian’ny Vahoaka Amerikana, toy ny tetikasa momba ny fampisitrahana rano fisotro madio, ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo,… Fanontaniana mipetraka hatramin’izao ny hoe : niomana sy vonona ny amin’izany ve ny Fanjakana Malagasy raha milatsaka ny fanafoanana ny USAID sa miandry izay higadonany? Hatramin’ny tompon’andraikitra ambony iray tao anatin’izao Fanjakana izao no mametra-panontaniana hoe : Raha foana ny USAID… Vonona ve isika ? Tsy maintsy miatrika ireo tany nahazo tombontsoa an-taonany maro tamin’ny USAID, ary tena goavana raha ho antsika manokana. Voalaza hatreto, hanaovana tombana tsirairay ireo tetikasa vatsian’ny USAID eto Madagasikara mandritra ny telo volana ary hajanona tsikelikely izay hita ho tsy mifanaraka amin’ny politikan’ny filoha amerikana Donald Trump, araka ny fanapahan-kevitra noraisiny. Efa niato ihany koa ireo mpanao asa an-tselika, miara-miasa amin’ny USAID any amin’ny faritra rehetra, mpiasa manodidina ny 500 no voalaza fa efa manomboka miato amin’ny asany ao anatin’ny 3 volana. Betsaka ireo tetikasa mety hitsahatra tanteraka ka mety ho voakasika hatramin’ny an’ny PAM, PNUD, UNICEF, MIONJO, CRS,… Tena nanampy ary miankina aman’aina ny tohana mikasika ny maha olona entin’ny USAID raha tsy hilaza afatsy ny raharaha resaka ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Mbola ambana hafa ho an’i Madagasikara ny resaka lalam-barotra eo amin’ny tsenan’ny AGOA izay hifarana ny septambra hoe : mbola ho afaka hisitraka izany ve eo anatrehan’ny dosie maloto mikasika kolikoly ? Fitantanana tsy nazava ny volan’ny covid-19 ? Fanitsakitsahana ny demokrasia sy fanjakana tan-dalàna ? Tsy fisian’ny fanjakana tsara tantana ?
Toky R
Nifanontona tamin’ny fihaonambe faha 5 an’ireo mpitondra fanjakàna anatin’ny vaomieran’ny
Niseho indray ny tsy nampoizina omaly teny amin’ny CCI Ivato, tao anatin’ny fanokafana ny Fivoriamben’ny
Filaminana sy fahaleovantena ara-tsakafo ho fampivoarana ny tsenan’ny Indianocéanie”,
Naverin'i Maurice amin’i Madagasikara ireo volamena milanja 25,5 kg izay nisy nanondrana
Miezaka hanome ny tsara hatrany amin’ireo tolotra ara-pizahantany ireo
Hotanterahina ny 28 Aprily hatramin’ny 04 Mey 2025 ny “Foire Digitale” na