rehefa mijery na dia ankapobeny ihany aza, ny fiainam-pirenena eto Madagasikara. Tsy vitan’ny hoe lasibatry ny sinto-mahery sy haro-paosy ihany, raha ety an-drenivohitra, na koa hoe hiharan’ny asan-dahalo sy asan-jiolahy na vaky trano hatrany ambany ravinkazo rehetra any, araka ireny efa hita amin’ny haino aman-jery isan-karazany ka hatreny amin’ny tambazotran-tserasera ireny fa miha manjaka ihany koa ankehitriny ireo endrika fandrobàna amin’ny fomba mihaja. Samy manao izany avokoa na sehatra ara-panjakàna toy ny Jiro sy rano malagasy na JIRAMA na ireo sehatra tsy miankina toa an’ireo mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra sy serasera samihafa. Ny an’ny JIRAMA moa io efa zary an-davan’andro io delestazy, fahatapahan’ny herinaratra na tsy fahampian’ny tosika eo amin’izany herinaratra izany, ny fahatapahan-drano koa miha lavareny hatrany nefa ianao indray no bedy sy voasazy rehefa tsy voaloha ara-potoana ny faktiora. Ny resaka fifandraisan-davitra koa miakatra hatrany ny sarany nefa miha tsy mahafa-po. Ireo orinasa fampitàna fandaharana amin’ny fahitalavitra amin’ny satelita moa dia tsy mampita izany fandaharany izany mihitsy rehefa ratsy ny andro, izany hoe, raha maharitra iray volana izany ny fahavaratra dia tsy hisitraka izany fandaharana izany mihitsy ianao mandritry ny iray volana na dia efa nandoa ny sarany nandritra izay iray volana izay aza. Inona no fepetra raisin’ny fitondràm-panjakàna manoloana izany endri-pandrobàna samihafa mihatra amin’ny vahoaka malagasy izany sa sanatria tsikombakomba iraisana izy ity?
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny