airtel

Actualités

18-août-2025

VAKANSY LEHIBE AO MAHAJANGA

Feno tanteraka ny trano fandraisam-bahiny...

Sample post image

Mahoraka ny vakansy lehibe ao Mahajanga, Faritra Boeny ao. Mihoatra ny 1.000

18-août-2025

isa raha kely ireo mpiala sasatra tonga any an-toerana hatramin'ny tapaky ny volana Aogositra lasa teo raha araka ny vaovao azo. Ankoatra ireo manana ny fiarany manokana dia tsy vitsy ireo manao ranolava mandeha taxi-brousse tonga isan'andro. Feno avokoa ny trano fandraisam-bahiny vokatr'izany, indrindra fa any amin'ireo sarany mba moramora. Midangana noho izany ny vidim-piainana. Lasa manararaotra avokoa ny ankamaroan'ireo mpivarotra hoy ny vaovao. Tafakatra 15.000 Ar ny iray lovia amin'ireo karazan-tsakafo mba tsaratsara any amin'ny restaurant. Niakatra ho 4.000 Ar ihany koa ny laglasy iray raha mbola 3.000 Ar tamin'ny taon-dasa....Tsiahivina moa fa saika feno olona hatrany ireo toeram-pitsangatsanganana mahaliana ao Mahajanga sy ny manodidina isan'andro. Toraka izany koa ny eny amoron-dranomasina izay lasa maloto raha vantany vao taraiky kely ny fahatongavana. Maro amin'ireo mpiala sasatra ao Mahajanga moa no hanenjika hody eto Antananarivo sy ny manodidina amin'ny faran'ny herinandro indray hamonjy ny fidiran'ny mpianatra.
Pati
Légende : Tanana voalohany tena tian'ny mpiala sasatra ny eto Mahajanga !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap