airtel

Actualités

06-juil-2023

Actualités

Vakansy lehibe Mitombo isa ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra

Sample post image

Manomboka mitombo isa ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra amin’izao.

06-juil-2023

Ho an’ny tobim-piantsonana etsy amin’ny Fasan’ny Karana dia niakatra ho 120 isa isan’andro ireo fiara mivoaka any amin’ny faritra raha 80 isa izany tamin’ny volana May lasa teo. Toraka izany ihany koa ny etsy amin’ny tobim-piantsonana garan’i Maki Andohatapenaka. Taorian’ny fanadinam-panjakana CEPE dia tafakatra 150 isa isan’andro ireo taxi-brousse mivoaka any amin’ny faritra ka ireo miazo ny lalam-pirenena faharoa sy fahaefatra no tena maro an’isa indrindra. Tsy mitazam-potsiny anefa ireo tompon’andraikitra eny anivon’ireny tobim-piantsonana ireny manoloana izany. Tsy maintsy misy ny fizahana ny fiara iray manontolo hitondra ireo mpandeha hisorohana ny loza mety hitranga. Jerena ihany koa ny antontan-taratasin’ilay fiara, ny fahasalaman’ilay mpamily ary ny farany izay tsy kely indrindra dia ny famendrahana fanafody fiara ho fiarovana ny fahasalaman’ny rehetra. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina mantsy isika ankehitriny. Ny areti-mandoza Covid 19 rahateo mbola tsy foana ka tsy maintsy noraisina ny fepetra.
Pati

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap