Tsy manana fitaovana ho enti-miasa intsony mantsy ireo mpiasa mpamono valala sisa tavela any an-toerana hany ka mirongatra fatratra izany. Ankoatra ireo efa hatao laoka isan’andro dia endasin’ny mponina hatao laoka koa izany ka hamidiny eny an-tsena. 200 Ar dia efa mahazo tapaky ny kapoaka mahavita laokan’olona iray. Tsiahivina moa fa mitaky ny hanomezana ny karama enim-bolana tsy voalohany ireo mpiasa mpamono valala ao amin’iny ivon-toerana misahana ny famonoana falala eto Madagasikara any amin’iny faritra iny. Toraka izany koa ny tokony hijerena ny sosialin’ny mpiasa amin’ny fotoanan’ny fisotroan-dronono izay tsy mbola voaloha hatramin’izao. Misy mantsy ireo mpiasa efa lasa nisotro ronono saingy tsy mbola nandray ny fisotro -dronono hatreto hoy ireo mpiasa ary misy ihany koa ireo maty tsy nahazo tombotsoa akory. Misy hoy hatrany ireo mpiasa ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ministera saingy tsy mahalala izany ireo mpiasa ka lasa velom-panahiana ny amin’ny fanaovana azy fitaovana fakana famatsiam-bola fotsiny izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Hamidy toy ny anana ohatra an’izao ny valala any Atsimo !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny