airtel

Actualités

01-juil-2025

Valin’ilay fitiliana aretina nalefa any an-dafy

«Aiza ihany, inona ihany izany ilay «antidote» na fanafody?»

Sample post image

Malagasy mpiray tanindrazana, mpiasa ireny rehetra niharam-pahavoazana

01-juil-2025

tamin’ny fanapoizinana sy fahapoizinana ara-tsakafo ireny, hoy ny Randrana sendikaly, ka dia mankahery ireo mana-manjo ary mirary fahasalamàna tanteraka ho an’ireo mbola miady amin’ny aretina. Anatin’ny fotoana tahaka ireny, izay tokony tena hampisehoan’ny fanjakàna fa matanjaka izy, hoy ny sekretera jeneralin’ity sendika ity, Barson Rakotomanga, no lasa ohatran’ny tsy hisehoan’izany. Isany, ohatra, hoy izy, izao ny hoe aiza ihany ny valin’ilay fitiliana aretina nalefa any an-dafy? Inona ihany izany ilay «antidote» na fanafody tena manasitrana ilay aretina? Raha ilaina ny masinina lafo vidy hanaovana fitiliana dia tokony mividy izany izao ny fanjakàna. Ohatran’ireny hoe mi-klika fotsiny dia mividy fiarabe elektrika ireny. Ohatran’izany no tokony hividianana ilay fitaovana hanaovana fitiliana dia hamoahana hoe inona ilay aretina tokony tsaboina. Aiza ny tena fandraisan’andraikitry ny minisiteran’ny fahasalamàna? Na mpanohana maivaivay izao fitondràna izao aza nasiaka raha nivahiny tamina fahitalavitra iray hoe misy tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny varotra, ny fadin-tseranana, aiza ny fanaraha-maso ireny entana lany daty miditra eto ireny? Ny somary mahagaga dia sahalan’ny mitohy ilay fahoriam-bahoaka satria na niteny koa aza ny minisitry ny angovo sy akoran’afo hoe tsy misy atahorana ny famatsiana solika eto amin’ny firenena dia mbola nahitàna toerana tsy ahitàna tampotampoka izany ihany eny amin’ireo tobin-tsolika. Tsy mahafehy ireo mpandraharaha ara-tsolika ve izany ny fitondràna malagasy? Lazaina fa tsy hisy fiantraikany aty amintsika ny fanapahan-kevitry ny iranianina hanidy ny helodranomasin’i Ormuz na «détroit d’Ormuz» nefa toa misy toerana ilaharana ihany ny solika? Tokony jerena malaky izany fa tsy hoe midona ilay izy vao hikoropaka, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap