airtel

Actualités

12-mai-2022

Actualités

Vanim-potoanan’ny ririnina Tena hamirifiry ny hatsiaka amin’ity hoy ny meteo

Sample post image

Efa manomboka miditra tsikelikely ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika eto Madagasikara raha araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

12-mai-2022

Ao anatin’ny volana Jona sy Jolay ny ivony izay fantatra fa tena hamirifiry tokoa amin’ity taona 2022 ity. Raha araka ny fanadihadiana natao dia ny Faritra Analamanga sy Vakinankaratra no tena hamirifiry tanteraka satria mety ho tafidina hatrany amin’ny 6 degré ny hatsiaka raha araka ny fantatra hatrany. Mila miomana sahady amin’ny fitafy mafana sy ny lamba firakotra mafana araka izany ny rehetra mba hisorohana ireo karazan’aretina mety hitranga. Anisan’ireny ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny sery sy ny kohoka raha mbola tsy lavitra antsika ihany koa ny valan’aretina Covid 19. Ilaina hatrany araka izany ny mitandrina ny fahasalamana indrindra fa ny fampiasana hatrany ny arovava orona izay misoroka aretina maro. Ilaina ihany koa ny mihinana sakafo ara-pahasalamana misy ireo karazana hery fiarovana miampy fisotroana rano 1 litatra ho an’ireo milanja 50 kg raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap