hatao laoka rehefa taom-baovao saingy tsy tapa-bidy. Efa misy mahatratra 180.000 Ar mantsy ny lahy iray lehibe amin’izao etsy amin’ny tsenan’Anosibe sy Namontana raha 80.000 Ar ny vorontsiloza vavikely iray. Noho ny tsy fisian’ny entana no nambaran’ny mpivarotra iray fa antony tena mampidangana ny vidin’ny vorontsiloza. Any Ambositra toerana fakana azy ireny mihitsy mantsy no tsy misy hany ka vitsy ireo tafakatra eto an-drenivohitra. Eo an-danin’izay ihany koa anefa dia tsy manana afa-tsy 50.000 Ar eo ho eo ny tokantrano iray mba hividianana vorona hilaofana amin’ny taom-baovao raha araka ny fanadihadiana natao. Miala maina izay mba te-hihinana vorontsiloza noho izany. Tsy afaka mivarotra fatiantoka koa mantsy ireo mpivarotra na dia te-hahalafo aza. Toraka izany koa ny voankazo. Ny lodisia no mba tena fividin’ny isan-tokantrano rehefa fety tahaka izao saingy lafo dia lafo ihany koa. Efa misy mahatratra 6.000 Ar ny iray kilao eny an-tsena. 2.000 Ar kosa anefa ny vidin’izany iray kilao izany ho an’ireo lodisia avy any Anjozorobe saingy mbola maitso kely sady madinika hany ka tsy mahasarika mpanjifa loatra. Any amin’ny mananasy sisa araka izany no mifatratra nyh mpividy izay sady azo hatao ranom-boankazo ihany koa no azo hatao tsindrin-tsakafo tsotra. 2500 ka hatramin’ny 3000 Ar ny iray amin’ireo karazany avy any Mahanoro izay tena be mpividy tokoa.
Pati
Legende : Lafo dia lafo ny vorontsiloza no sady vitsy ety an-tsena !
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny