Lohahevitra nitondrana ny hetsika ny hoe : tontolo nomerika ho an’ny vehivavy Afrikana fanavaozana sy teknolojia ho an’ny fitovianjon’ny lahy sy ny vavy ary ny ankizivavy. Ho antsika eto Madagasikara manokana dia efa miezaka ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hampanjaka tanteraka izany amin’ny alalan’ny fanofanana ny vehivavy amin’ny resaka teknolojia sy ny fanamorana ny saran’ny fanaovana internet. Vao omaly ohatra dia niara-niasa nanofana vehivavy maro momba ny fampiroboroboana ny teknolojia ny UNFPA sy ny Orange Madagascar ka anisan’ny nanentanana ireo vehivavy ireo ihany koa ny resaka fananahana. Tsiahivina moa fa any Afrika Subsarienne dia mbola tsy afaka misitraka sy mikirakira ny “internet” ny ankamaroan’ny vehivavy noho ny halafosan’ny saran’izany. Raha araka ny tatitry ny banky iraisam-pirenena anefa dia asa 230 tapitrisa no mitaky fahaizana mikirakira ny teknolojia aty Afrika amin’ny taona 2030. Tokony hisitraka izany ihany koa ny vehivavy Malagasy noho izany. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 1974 no nankalazaina voalohany ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikana tany Sénégal.
Nangonin’i Pati
Legende : Zon’ny vehivavy ny fahaizana mikirakira ny teknolojia !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny