Mifanandrify indrindra amin’ny vinan’izy ireo ny vina napetraky ny mpitondra fanjakana nentina nanamarihana ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy omaly dia ny hoe : fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy. Na izany aza dia nambaran-dRamatoa Auella Iris Mailhol izay mpitarika azy ireo fa tsy miady fahefana amin’ny lehilahy izy ireo saingy mampiseho kosa fa tia fandrosoana ary vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy mivoana amin’ny voalazan’ny Baiboly izahay hoy Ramatoa Aurella Mailhol araka ilay tenin’Andriamanitra manao hoe : ianareo vehivavy maneke ny vadinareo. Ny lehilahy kosa hoy izy dia tokony hahay hanaja sy ho tia ny vady aman-janany na inona na inona fiainany any ivelany araka ny tenin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ho azy manokana moa dia misy ny fampiofanana omena ireo ankizivavy, tanora zazavavy, vehivavy zokiolona ao amin’ ny fiangonana mba hahay hanaja sy hankato io voalazan’ny soratra masina io dia ny fanajana vady izany. Hampianarina ireo mpizaika avokoa ny fiainan’ny fahatanorana, ny fiainana ao an-tokantrano rehefa manam-bady …. mba tsy ho tampoka amin’izy ireo ny zava-misy iainany. Ny lehilahy no lohan’ny fianakaviana hoy izy. Andriamanitra no voalohany dia Jesosy Kristy aveo ,ny lehilahy no fahatelo izay vao ny vehivavy. Tsiahivina moa fa nahazo fanasana manokana ny vehivavy Apokalipsy tamin’io andron’ny omaly alarobia 08 martsa io nentina nankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy io.
Pati
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny