airtel

Actualités

23-nov-2022

Actualités

Vehivavy manana fahasembanana Manan-jo hisitraka ireo tolotra eny anivon’ny tobim-pitsaboana

Sample post image

Manana zo hisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana maro samihafa eny anivon’ny tobim-pitsaboana ireo vehivavy manana fahasembanana eto amintsika.

23-nov-2022

Hatreto mantsy raha araka ny fanazavan-dRazafinjato Fela, filohan’ny Association des femmes handicapées de Madagascar na ny AFHAM dia mbola tsy tena hita taratra loatra izany. Tsy miaina fanilikilihana mivantana izahay hoy izy saingy miaina izany an-kolaka kosa. Tsy afaka manatona ireo CSB II miakatra totohotrabe izahay ohatra hoy izy. Toraka izany koa ny fivoahana amin’ireny trano fivoahan’ny CSB II fa ireo olon-tsotra ihany no afaka mampiasa azy ireny….Ankoatra izay hoy izy dia atahoran’ireo mpampivelona eny anivon’ny tobim-pitsaboana ihany koa ny vehivavy manana fahasembanana rehefa bevohoka. Noraisiny ohatra tamin’izany ny tenany fony izy bevohoka ny zanany voalohany 3 volana an-kibo. Ilay Reniko 63 taona nitondra ahy hoy izy no saika nampisafoan’ilay rasazy fa tsy izaho ilay mitondra vohoka. Rehefa nahitsy ilay rasazy nandritra izany hoy Razafinjato Fela dia toa natahotra no sady feno ahiahy nefa vehivavy mitovy amin’ny vehivavy rehetra ny vehivavy manana fahasembanana. Afaka miteraka izy hoy Razafinjato Fela, afaka mitia lehilahy ihany koa ary afaka manam-bady fa tsy araka ny fahitan’ny maro azy. Ho fisorohana izany fanilikilihana ny vehivavy manana fahasembanana na ny tahotra ny fandraisana an-tanana azy ireny izany araka izany dia hanatanteraka ilay tetikasa, Ny vatanay safidinay ho fampiroboroboana ny zo ara-pananahin’ny vehivavy sembana izy ireo. Haharitra 15 volana izany vatsian’ny AFD vola. Hisy araka izany ny fanentanana ireo tobim-pitsaboana misy eto amintsika hahafantaran’izy ireny ny zon’ny vehivavy manana fahasembanana. Toraka izany ihany koa ny fiofanana omena ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana ka hanoroana azy ny fomba fandraisana ireo vehivavy manana fahasembanana.
Pati
Legende : Fela Razafinjato, filohan’ny Association des femmes handicapées de Madagascar
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap