airtel

Actualités

18-nov-2022

Actualités

Vehivavy polisy Tokony ho fitaratra eny anivon’ny fiaraha-monina

Sample post image

Tontosa omaly alakamisy teny amin'ny CC ESCA Antanimena ny vela-kevitra sy fampiofanana ireo mpikambana ao anatin'ny Fikambanan'ny Vadina Polisy sy Polisy Vavy na ny FI. Va. PO. VA .

18-nov-2022

Niompana indrindra tamin’ny resaka toe-tsaina sy ny fomba fiaina tokony hananan'ny polisy vavy na ny vadina polisy eo amin'ny sehatry ny asa na eo anivon'ny fiaraha-monina, indrindra ao anatin'ny fikambanana no antony izao fampiofanana izao. Nitondra ny anjara biriky ho fampandrosoana ity fikambanana ity ny talen'ny kabinetran'ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka ny Commissaire Divisionnaire de police Randriambelo Mandimbin'ny Aina . Narosony tao anatin'ity fampiofanana ny torohevitra sy fahaiza-manao tokony hananan'ny mpitarika ary fahalalana fototra entina mitarika ho an'ireo anatin'ny fikambanana FI.VA.PO.VA. Notsindriany manokana tao anatin'izany ny fahaiza-miaina tokony hananan'ny tsirairay indrindra eo anivon'ny fiaraha-monina manodidina, na eo amin'ny fomba fiakanjo io na ihany koa eo amin'ny fihetsika ankapobeny. Tokony ho fitaratra foana araka izany ny vadina polisy na polisy vavy eo amin'ny toerana misy azy . Nomarihiny manokana ihany koa fa samy manana ny fahaiza-manaony ny tsirairay ary samy tokony hahay mitrandraka izany mba ho fampandrosoana ity fikambanana ity . Tanjona ao anatin'ny fikambanana moa ny hampandrosoana ny tsirairay ary hananany fahalalana fototra sy toe-tsaina mihabo .Nisy ihany koa ny fampitana ireo traikefa nananan'ny birao teo aloha ho an'ireo izay handrafitra ny birao vaova’on ny FI.VA.PO.VA.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fiofanana natrehin’izy ireo omaly
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap