ny atrikasa niarahana tamin’ny filankevi-pirenen’ireo vehivavy eto Madagasikara na CNFM tetsy amin’ny PK 00 Soarano omaly. Araka ny fanazavan’ny filohan’izy ireo, Estelle Andriamasy, dia mbola ambany dia ambany ny taha mikasika izany. 6% eo, hoy izy, izany amin’ny ankapobeny. 5% ny vehivavy ben’ny tanana izao. Latsaky ny 20% ny vehivavy ao amin’ny antenimieram-pirenena. 34% ny vehivavy minisitra. Ny governora moa dia miisa 2 ny vehivavy amin’ireo faritra 23. Ahitantsika izany fa mbola ambany ny taha mikasika ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny raharaham-panjakana sy ny fanapahan-kevitra eto Madagasikara. Nasaina tao anatin’izao, noho izany, ireo mpandinika fiarahamonina mba hamahavaha ireo sakana ara-kolontsaina mifandraika amin’izany eto amintsika. Eo koa ny fomba amam-panao mbola tsy manome sehatra ny vehivavy. Efa betsaka koa ny asa nataon’ny CNFM mikasika ny fanentanana ny tanora sy vehivavy ary manana fahasembanana momba izany. Nasaina koa ireo vehivavy solombavambahoaka hanao fijoroana vavolombelona hoe ahoana ny fanamby natrehan’izy ireo nilatsahany ho isan’ireo olom-boafidy eto Madagasikara. Nifampizarana teto, noho izany, ny vokatr’ireo fanadihadiana natao mahatonga ireo sakana sy ny torolalana ahafahana mampiakatra izany taha izany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny