airtel

Actualités

10-mars-2025

VEHIVAVY TIA TANINDRAZANA

Namboly zana-kazo an-jatony teny Ambanitsena

Sample post image

Nahavita ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena tompon’andraikitra azy ny Vehivavy Tia Tanindrazana.

10-mars-2025

Niara-nirodorodo namboly hazo teny Ambanitsena mantsy izy ireo afak’omaly Sabotsy 08 Martsa, fotoana nanamarihana ny andro manerantany ho an’ny zon’ny vehivavy. Zana-kazo an-jatony no novolena teny an-toerana no fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Toraka izany koa ny famerenana an’i Madagasikara indray ho maitso volo tao anatin’ilay lohahevitra hoe : “Vehivavy mijoro, vehivavy mandray andraikitra, vehivavy Tia Tanindrazana. Ny vehivavy no fototry ny aina, fototry ny fiainana, ary fototry ny fahaveloman’ny tontolo iainana ihany koa. Ny fambolen-kazo tahaka izao araka izany dia fihetsika feno hery sy fitiavana, fanomezana ho an’ny taranaka ho azy ireo. Mpikambana marobe no tonga nandray anjara tamin’izany izay samy mbola vonona ny handray ny andraikiny hatrany amin’ny lafiny rehetra ho fampandrosoana ny firenena.
Pati
Legende : Nandritra ny fambolen-kazo notanterahina !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap