teny Ambohimena, distrikan’ Antsirabe I ny Alahady 04 Aogositra teo. Ny hopitaly atsimo no nandray an-tanana ny fandidiana azy ka teraka vavikely soa aman-tsara izy ary samy salama tsara avokoa izy mianaka. Noho ny fiaraha-miasan'ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Vakinankaratra amin'ny Akany mitaiza zaza, dia efa noraisin'ny Akany an-tanana izy mianaka ary eo am-pitadiavana ny fianakaviany. Tonga nanome lamban-jaza sy bodofotsy ary akanjo handraisana ny zaza ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina ao Vakinankaratra, raha noraisin'ny Akany kosa ny ambiny. Ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Firaisankina Vakinankaratra dia maneho etoana fankasitrahana ho an'ilay vehivavy tsara sitrapo nitondra azy teny amin'ny hopitaly, ny Tompon'andraikitra rehetra ao amin'ny hopitaly atsimo izay nandray an-tanana ny fandidiana sy ny fikarakarana azy mianaka, ary indrindra ny Akany izay nandray azy ireo.
Pati
Legende : Salama tsara tahaka izao izy mianaka kely !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny