airtel

Actualités

26-nov-2024

VERONIAINA RAZAFINJATOVO

« Olona miasa am-pitiavana i TAHINA »

Sample post image

Misaotra anao sahy mijoro, vavolombelona ny tenako, ny zavatra rehetra nataonao dia nataonao am-pitiavana,

26-nov-2024

hoy i Veroniaina Razafinjatovo vadin’ny minisitry ny vola no sady efa minisitry ny fanabeazana nandritra ny fitondrana Ravalomanana, raha naneho hevitra tamin’ny tambajotran-tserasera momba ny ampamoaka nataon’i Tahina Razafinjoelina. Mahafantatra tsara ity kandida ben’ny tanàna ity, ny ezaka nataony fony izy mpianatra sy ny asa nataony sy vitany ary ny fotokevitra ijoroany ny olona miteny eto, ary mahafatatra tsara ihany koa ny raharaham-pirenena, indrindara ny taona 2001 ka hatramin’ny 2009. Vao tsy ela no naneho ny mpanakanto Bodo fa samy akaiky ny fony ny kandida roa saingy Tahina no safidiny ka isan’ny antony ny vina, ny fahavononana, mifanaiaky amin’ny filan’Iarivo sy ny tsirairay, ny tombotsoa iombonana,… Tsy tongatonga ho azy ireny fanehoan-kevitra ireny ka ankoatra ny olom-pirenena tsotra dia tena olona vavolombelon’ny tantara ireny anisan’ny miteny ireny, manamafy ny fahamatorana, fanaovana asa am-pitiavana, finiavana hitondra rivo-baovao, fikirizana,…ananan’i Tahina Razafinjoelina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap