airtel

Actualités

08-mai-2024

VILLAGE TOURISTIQUE AO MAHAJANGA

Maka olona 5 isan-taona raha kely…

Sample post image

Iray volana mahery eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy

08-mai-2024

lehibe indray ny mpianatra rehetra manerana ny Nosy. Tsy vitsy ireo efa nanomana ary mikasa hivoaka kely any amin’ny faritra noho izany mba hialana amin’ny rotoroto sy ny havizanan-tsaina nandritra ny taona. Hatreto dia mbola i Mahajanga no be mpisafidy indrindra ho an’ny faritra misy ranomasina. Rehefa vanim-potoana tahaka ireny anefa dia misy hatrany ny indrokely. Ho an’ny Village touristique manokana dia fantatra fa maka olona 5 isan-taona izy io raha kely ka vahiny ny ankamaroany. Rehefa nanontaniana ny antony mahatonga izany Pastera Heritiana Randriarimalala dia nambarany fa ny rano tsy misy lolo saingy mitombina kosa raha misy devoly. Noho ny fisian’ireo olona nambarany fa manompo sampy eo amin’io toerana io rehefa tsinam-bolana no mahatonga izany isaky ny amin’ny 04 ora sy amin’ny 05 ora maraina. Eo ihany koa ireo manao sorona hoy izy, antony mahatonga ireo razana tsy mety mivoaka ao anaty rano raha tsy hanaovana sorona ihany koa. Rehefa misy fiarovan’Andriamanitra anefa ny olona iray hoy izy dia voaaro amin’izany asan’ny devoly izany hatrany ka tsy tokony hisy hisaraka amin’Andriamanitra mihitsy.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala mahalala tsara ny tontolon’ny Fanahy !
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap