airtel

Actualités

10-févr-2025

Vita fianarana tany an-dafy ny zanaky ny Filoha

Rahoviana no mba hijery ny fampianarana eto ny Fanjakana ?

Sample post image

Nahavita ny fianarana, nahazo ny diplaomany tao amin’ny Ecole de L`hôtellerie Lausanne any Suisse i Arena

10-févr-2025

Rajoelina izay zanaky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, araka ny serasera niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly. Ity zanaky ny Filoham-pirenena ity izay efa manomboka ampidirina amin’ny raharaham-pirenena, raha raisina tamin’ny kabariny nisaotra manokana an-janany tamin’ny fampidirana ny Emirates Airlines teto ny septambra 2024. « Toy ny vao omaly no nitantanako sy nampianarako an’i Arena namindra. Androany, dia vita soa aman-tsara ny fianarany tao amin’ny Oniversite EHL Lausanne, taorian’ny efatra taona. Nitombo, nianatra, ary indrindra indrindra, nahomby. Fifaliana sy rehareha ho an’ny Ray ny mahita ny fahombiazan’ny zanany. Ny finoana, narahina ezaka sy fikirizana, no nahatonga ny fahombiazana. », hoy i Andry Rajoelina omaly. Reharehan’ny Ray aman-dReny ny mahatafita zanaka, ary tsy misy tsy mikely soroka hampianatra ny zanany hatramin’ny faraheriny. Na izany aza, rahoviana ny zanaky ny Malagasy rehetra no mba hanana fahafahana tahaka izao ? Nahoana ny mpitondra Fanjakana no tsy mba tia mampianatra ny zanany eto ? Satria tsy mianatra eto ve ny zanaky ny Mpitondra dia atao tsirambina sy hamaivanina ny fampianarana eto Madagasikara?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap