airtel

Actualités

14-mars-2025

Vita malagasy

Miha tsara sy kanto saingy…

Sample post image

Velon-taraina amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ireo mpamokatra sy mpivarotra

14-mars-2025

irony asa tanana vita malagasy na fiantson’ny maro mahazatra amin’ny hoe «art malagasy» irony. Antony, raha ny fanazavàn’ny mpisehatra iray, dia tena lasa fitiavana sy fialamboly sisa no hamokarana sy hamarotana izany fa raha ny tombony dia tena tsy ahitàna. Maro ireo resy lahatra fa efa miha tsara sy kanto saingy tsy zakan’ny sarambaben’ny gasy kosa ny tombam-bidy sy vidin’ireny vokatra ireny. Lafo aminay mpamokatra koa anefa ny akora ampiasaina amin’ny fanamboarana azy itony, hoy ny mpamokatra iray. Ho an’ny tsena etsy Ambohitrimanjaka manokana dia zara fa 2 sy 3 isan’andro, raha be indrindra, eny fa na dia amin’ny fotoana tokony haha be ny mpizaha tany aza, hoy ny mpivarotra eny an-toerana, no mpitsidika tonga eny an-toerana isan’andro. Mazava ho azy fa 1 sy 2 toy izany ihany koa no manjifa ary na ireo teratany vahiny mandalo aza dia maro koa no zary lasa mpitsidika fotsiny, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap