airtel

Actualités

13-déc-2024

VOAFONJA AO ANTANIMORA

Efa tafakatra 5.000 isa latsaka kely amin’izao

Sample post image

Efa tafakatra 5.000 isa latsaka ireo voafonja tazonina ao amin’ny fonjaben’Antanimora amin’izao raha 1.000 isa

13-déc-2024

no zakan’ny foto-drafitrasa. Ny 784 isa amin’ireo no vehivavy, 129 no tsy ampy taona raha lehilahy avokoa ny ambiny. Afaka mianatra ara-dalana avokoa ireo tsy ampy taona tazonina ao raha ny fanazavana azo raha omena fiofanana ny olon-dehibe. Olana kosa anefa ny fahateren’ny toerana antony mampirongatra ireo karazan’aretina toy ny aretin-koditra sy ny aretin’ny taovam-pisefoana. Na izany aza tena manampy betsaka sy mamaha olana ireo tompon’andraikitra ny fisian’ny fonja vaovao ao Avaradrano. Raha ny vaovao azo hatrany mantsy dia efa mihoatra ny 100 ireo voafonja nalefa any an-toerana, mampihena ny isan’ireo mamita ny saziny tazonina etsy Antanimora. Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’olombelona ny tao amin’ny fonjaben’Antanimora. Ankoatra ny hetsika ara-patanatanjahantena dia hisy ihany koa ny fanentanana maro isan-karazany.
Pati
Legende : Mitombo isa isan’andro ireo voafonja eto amin’ny fonjaben’Antanimora !
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka

Card image cap
16-juin-2025

Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry

Card image cap
16-juin-2025

Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,

Card image cap
16-juin-2025

Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.

Card image cap
16-juin-2025

Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)

Card image cap
16-juin-2025

Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.

Card image cap