tao amin’ny efitrano foana tao ambadiky ny efitrano fandrian-dRay aman-dReniny omaly Alarobia 17 Aprily tany Bealanana. Nifatotra akanjo mafana ny tendany nandritra ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia ny Reniny ihany no nahita azy voalohany raha nikasa hanaitra azy mba handeha hianatra omaly maraina tokony ho tamin’ny 07 ora. Indrisy anefa fa vatana efa tsy mahare intsony no niandry azy tao ka nanosika itsy voalohany hampandre ny manam-pahefana. Fantatra tamin’izany fa vao kilasy fahadimy ity zazalahy kely ity izany hoe : hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE. Voahendrikendrika noho ny resaka hala-bola tao an-trano izy hoy ny fanazavana ka voakapoka. Antony mety nampafoy azy izany ka nitarika izao famonoany tena izao raha izay no tena marina. Na izany aza efa misokatra ny fanadihadiana mifandraika amin’izany.
Pati
Legende : Tahaka izao ny vatana mangatsiakan’ilay zaza novantanin-dReniny !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny