airtel

Actualités

01-déc-2023

VOHIPENO BRICKAVILLE

Alain’ny mpandraharaha mora ny lodisia

Sample post image

Mikolay ireo tantsaha mpamboly sy mpamokatra lodisia any amin’ny kaominina ambanivohitra Vohipeno,

01-déc-2023

distrikan’i Brickaville, Faritra Atsinanana. Alain’ireo mpandraharaha 5.000 ka hatramin’ny 6.000 Ar mantsy ny iray garababr amin’ny lodisia milanja hatrany amin’ny 50 kg any an-toerana hany ka mahatsiaro ho maty antoka izy ireo. Raha araka ny fanazavana azo dia vokatry ny haratsian-dalana ao amin’ity kaominina ity ka tsy hahafahana mamoaka ny vokatra no tena antony mampanararaotra fatratra ireo mpandraharaha tonga any an-toerana. Raha tsara anefa ny lalana hoy ny Ben’ny tanana dia tena tsara vidin’ny lodisia ary mba afaka manatsara ny fiainany ireo tantsaha. Vaventy mantsy ny lodisia avy ao Brickaville. Menafify no sady mamy ihany koa hoy ny vaovao fa tsy toy ireo karazany tonga eto an-drenivohitra amin’izao. Mbola somary marikivy no sady madinika manompy maitso mantsy ireo hamidy eto Antananarivo sy ny manodidina raha mbola 1500 Ar ihany koa ny iray kilao.
Pati
Legende : Tsara ny lodisia an’i Brickaville !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap