airtel

Actualités

13-févr-2026

Voina mahazo an’i Madagasikara

Nanome 1 tapitrisa dolara ny

Sample post image

Croix-Rouge sy Croissant-Rouge

13-févr-2026

Nisy fivoriana manan-danja natao tany Soisa teo amin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy sy Atoa Christopher M. Rassi, Talen’ny Kabinetra sady Lefitry ny Sekretera Jeneraly misahana ny maha-olona eo anivon’ny Federasiona Iraisampirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant-Rouge (IFRC). Nandritra izany no nanambara ny IFRC fa hanome fanampiana mitentina 1 tapitrisa dolara avy hatrany ho an’i Madagasikara, ho setrin’ny fahavoazana nateraky ny loza voajanahary nisesy, indrindra ny rivodoza izay nandrava ny faritra atsinanan’ny Nosy. Tao anatin’ny iraka notanterahany tany Soisa no nanaovan’ny Praiminisitra fanentanana ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena amin’ny sehatry ny fahasalamana. Nohamafisiny fa mila jerena manokana ny fahavoazana goavana nateraky ny rivodoza sy ny loza voajanahary hafa, izay nahatonga fahasimbana ara-toekarena sy ara-tsosialy ary nandrava fotodrafitrasa maro eto Madagasikara, toy ny any Atsinanan’ny Nosy. Araka ny fanazavan’ny IFRC, ny vola nambara dia hivoaka avy hatrany amin’ny tahirim-bola vonjy taitra. Hifantoka amin’ny: fanomezana trano vonjimaika ho an’ireo traboina, fitsaboana sy fanohanana ara-pahasalamana, rano fisotro madio sy fahadiovana, fiarovana ireo olona marefo indrindra. Ankoatra izany, hisy antso fanangonam-bola iraisam-pirenena mitentina 5 tapitrisa dolara havoaka tsy ho ela, hanamafisana sy hanitarana ny asa fanampiana. Nohamafisina nandritra ny fihaonana fa ilaina ny fandrindrana akaiky eo amin’ny Governemanta Malagasy, ny Croix-Rouge Malagasy, ary ireo mpiara-miombon’antoka. Ny tanjona dia ny hahatonga ny fanampiana hipàka amin’ny fomba mangarahara sy mahomby any amin’ireo traboina. Nankasitrahan’ny IFRC ny fitarihan’ny Fitondram-panjakana amin’ny fandrindrana ny vonjy taitra, ary nanamafy ny fahavononany hanamafy bebe kokoa ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap