airtel

Actualités

13-févr-2026

Voina-pirenena :

tafakatra 38 ny maty, 364 500 traboina

Sample post image

Hanampy ny iraisam-pirenena, antsoina hifanohana ny Malagasy

13-févr-2026

Mavesatra ny fahavoazan'ny Firenena noho ny rivodoza Gezani. Niakatra ho 5 ny faritra tena voa mafy raha ny tatitra ofisialy : Atsinanana, Analamanga, Analanjirofo, Alaotra Mangoro ary Itasy, araka ny tatitra omaly tamin’ny 4ora hariva. Niakatra ho 18 ireo distrika voa raha 16 ho an'ny afak'omaly. Nitombo ho 38 no namoy ny ainy (32 tao Toamasina, 2 Ambatondrazaka, 1 Anjozorobe, 1 Brickaville, 1 Ankazobe, 1 Manjakandriana). Olona 6 tsy hita, ary 374 naratra mafy. Mahatratra 264 531 ny traboina, avy amin’ny 72 147 tokantrano. Ankoatra izany, 12 140 olona (2.992 tokantrano) no tsy maintsy nafindra toerana. 13 203 ny trano dobo rano, 37 302 simba, ary 18 135 rava tanteraka. Ny sekoly koa tsy afa-bela: 561 ny trano fianarana niala ny tafo, 104 simba amin’ny ampahany, ary 71 rava tanteraka. Efa misy 45 ireo "sites d’hébergement" manerana ireo distrika voakasika, izay mandray sy mikarakara ireo traboina amin’izao fotoana izao.

HANAMPY IREO MPIARA-MIOMBON'ANTOKA
Tsy niandry ela, taorian’ny fanambarana nataon’ny fitondram-panjakana momba ny voina-pirenena sy ny antso ho amin’ny fifanampiana, dia tonga nanolo-tanana ho an’i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena. Natao tao Toamasina ny fihaonambe niarahan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika Malagasy (PRRM), RANDRIANIRINA Michaël, sy ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka. Nampahafantatra sy nanamafy izy ireo ny fahavononany hanampy sy hiara-miasa amin’ny fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani. Nankasitrahan’izy ireo ihany koa ny fandraisana andraikitra sy ny fahavononan’ny Filohan’ny Fanavaozana, izay tonga mialoha tany amin’ny faritra Atsinanana mba hanamafy ny paikady sy ny fepetra maika hiatrehana ny loza. Efa namoaka 5 tapitrisa dolara (22,2 miliara Ar) avy hatrany moa ny ONU, namoaka 250 000 dolara ((1,15 milara ariary) ny OMS,…

MISOKATRA NY FAHAFAHANA MITONDRA TOHANA ARA-BOLA AVY AMIN'NY MALAGASY
Efa nambara ihany ny “état d’urgence nationale”, ka nanaovana antso ho fifanohanan'ny samy Malagasy. Eo ambanin’ny fiahian’ny Fanjakana Malagasy, ireo mpandraharaha Mobile Money telo eto Madagasikara: MVola, Orange Money, ary Airtel Money, dia miara-mientana hanamora ny fanohanana sy fanampiana avy amin’ny olom-pirenena rehetra. Ny vola rehetra voaangona dia atambatra ary ny BNGRC miaraka amin’ireo manam-pahefana no hanantanteraka ny fizarana amin’ny fomba ara-dalàna sy mangarahara. Zava-dehibe tokoa ny fifanomezan-tanana sy ny firaisankina amin’izao fotoana sarotra izao. Ny fiaraha-mientan’ny Malagasy sy ny fanohanana avy amin’ny iraisam-pirenena no antoka hanarenana haingana ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani.

LAHARANA SY KAONTY HANDEFASANA NY FANAMPIANA
Mobile Money (frais maimaim-poana)
-MVola: #111*1*2*0340643926# anaran'ny kaonty: PRRM
-Orange Money: #144#11#0323743926# anaran'ny kaonty: PRRM
-Airtel Money: *436*3*1*1*0330643926# anaran'ny kaonty: PRRM CYCLONE
Fanomezana mihoatra ny 500 000 Ariary (BNGRC)
- Banky: Société Générale Madagasikara ; Agence: 00005 ; Compte: 21020281222 ; Clé: 50 ; IBAN: MG46 0000 8000 0521 0202 8122 250 ; BIC: BFAVMGMGXXX
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap