airtel

Actualités

23-janv-2023

Actualités

Voka-dratsin’ny rivodoza 3 maty, 6 tsy hita popoka,13 000 mahery traboina

Sample post image

Miisa 3 ireo olona namoy ny ainy, 06 tsy hita popoka, 13 180 ao anatin’ny tokantrano 3443 no traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso hatramin’ny omaly 22 janoary tamin’ny 8ora alina,

23-janv-2023

araka ny tatitra ofisialy navoakan’ny Birao Nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC. Tato amin’ny faritra Analamanga, Analanjiro, Betsiboka, Boeny, Diana, SAVA, SoFia, ary Vatovavy no nahitana izany. Miisa 7 240 avy amin’ny tokantrano 1 759 no nafindra toerana vonjimaika tamin’ireo traboina. Miisa 23 ireo toerana fandraisana vonjimaika ireo traboina na « Site d'hébergement », araka ny tatitra hatrany. Ny lafiny maha olona izay, fa fahavoazana teo amin’ireo toeram-ponenana dia nahatratra 3 985 ireo dibo-drano, fianarana 85 rava tanteraka. Ara-pambolena, tanimbary 600 hekitara no dobo-drano tany amin’ny Faritra Analanjirofo. Tapaka tanteraka ihany koa lalana mampitohy an Anosibe an'Ala sy Moramanga noho ny fiakaran'ny rano. Nahitana Fahatapahana ny lalana eo anelanelan'ny Antongomena Bevary sy Fokontany BEMOKATRA ao amin'ny Distrikan Mitsinjo. Tapaka ny lalana eo anelanelan'ny Soalala sy Katsepy RNT 19. Tapaka ny Lalana eo anelanelan’ny Vavatenina sy Miarinarivo nohon’ny fiakaran’ny rano tao amin’ny reniranon’ny SARANINDONA . Tapaka ihany koa ny teo anelanelan’ny Vavatenina sy Ambatoharanana Lalana nohon’ny fiakaran’ny rano tao amin’ny reniranon’ny MANINGORY . Efa niverina amin'ny laoniny kosa ny lalana : RN2 : PK69 sy PK 71+200; RN4, RN 22. Tetsy ankilany, nanamafy ny fampitandremana amin’ny habetsaky ny rotsak’orana indrindra ho an’ireo faritra isan’ny lasibatra voatanisa etsy ambony ihany koa ny Sampana mpamantatra ny mety toetry ny andro. Tahaka izany ihany koa ny hamafin’ny rivotra. Mitoetra hatramin’ny alakamisy 26 janoary ny fampitandremana ka mila mailo ny rehetra mba tsy ho tampohin’ny loza.
Toky R .
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap