noho ny fahataran'ny famatsiana solika, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny JIRAMA ny sabotsy teo. Voatery nitsitsy ny tahirin-tsolika teo am-pelatanana arak'izany ny orinasa mba ho fisorohana ny fahatapahan-jiro faobe. Nikaon-doha andro sy alina ny mpitantana ny orinasa JIRAMA sy ny Ministeran'ny angovo sy ny akoran'Afo nitady vahaolana ka tojo amin'izany, androany (TTF : ny sabotsy teo, hoy izy ireo). Efa manomboka tonga any amin'ny faritra ny solika entina mampiodina ireo milina mpihary herinaratra. Mbola an-dalana kosa ny an'ireo izay somary lavidavitra sy saro-dalana. Ao anatin’ny vahaolana lavitra ezaka ny fanafainganana ny fametrahana ireo foibe famokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro miisa 37 amin'ny distrika 37 mba hialàna amin'ny fiankinan-doha amin'ny solika. Fanafainganana ihany koa ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ka isan'ny hanomboka atsy ho atsy ny 20MW ao Moramanga, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Raha ny fanadihadiana vita hatreto izany dia mamokatra herinaratra 417 MW isika. 73% ny menaka mavesatra na «fuel». Mbola ny 15%n’ny tokantrano malagasy eo no misitraka herinaratra. Maherin’ny 58% izay no aty an-tanan-dehibe raha toa ka latsaky ny 7% kosa ny any ambanivohitra. Miisa 400 eo ny zotrana famatsiana herinaratra manana tanjaka ambony na «haute tension». 1000 no azo lazaina hoe atonony. Raha hanangana ivotoeram-pamatsiana herinaratra na angovo, izany hoe «Centrale hydroélectrique» dia mila 3 na 4 taona mihitsy aloha hanaovana fanadihadiana na «étude» fotsiny. 3 hatramin’ny 7 taona ny fanamboarana. Sady lafo izany no ela nefa azo atao tsara raha misy ny vola. Madagasikara koa manana loharanon’angovo betsaka raha resaka rano fotsiny na ranomamy io na ranomasina. Mbola tsy resahana izany eto ny loharanona angovo hafa toy ny masoandro sy ny rivotra. Tara isika amin’ny resaka angovo azo avaozina ary azo lazaina ho nampikatso izany ny korontana politika matetika niseho teto amin’ny firenena efa tamin’ny taona 2004 nefa ny fitondrana Ravalomanana no nanana politikam-pirenena momba ny angovo, izay asa nokasaina ho vita tanteraka hatramin’ny taona 2022 saingy ravan’ny raharaha 2009 izany, raha ny tantara no iverenana jerena hatrany.
J. Mirija
Na mbola afaka 50 na 100 taona aza isika tsy handroso mihitsy raha mbola hiankin-doha amin’ny fanampiana avy any ivelany,
Miaiky ny mpitantana ny Jirama fa tena mbola henjana ny ady hanalefahana ny delestazy.
Ankizivavy vao 26 taona monja, bevohoka 7 volana no fantatra fa nofirain’ny havam-badiny
Nitrangana firehetana goavana tao amin’ny Fokontany Mananara centre, ao an-tampon-tananan’i Mananara Avaratra
Taorian’ny serasera nipoapoaka fa tsy mbola misy vokatra azo tsapain-tànana tao amin’ny TVM
Mafy ny mahazo ireo miasa ampitain-davitra amin’izao fotoana izao, raha ny eto Madagasikara no resaka.