airtel

Actualités

27-mai-2025

VOKATRA KATSAKA ETO MADAGASIKARA

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona

Sample post image

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

27-mai-2025

Anisan’ny hahafahana mamelona tantsaha maro anefa izany raha hilofosana ka tsy voatery hafarana any ivelany intsony isika. Anisan’ny antony manosika ny Depiote Rajerison Antoine hanentana sy hamporisika ny tantsaha hamboly katsaka betsaka izany ao anatin’ny distrikan’Arivonimamo, faritra hiadidiany….Toraka izany koa ny kafe Arabika izay notsiahiviny manokana fa efa hahazoan’ireo tantsaha mpamboly ao anatin’ny kaominina iray 15 tapitrisa Ar isaky ny fotoam-pamokarana. Toraka izany koa ny fambolena sakay izay nomarihiny manokana fa efa hahazoan’ireo tantsaha mpamokatra an-tapitrisa isan-kerinandro koa amin’izao eto amintsika. Tsy hijanona hatreo ny ezaka raha araka ny fanazavany. Rehefa mamokatra mantsy hoy izy dia tokony ho afaka manondrana ihany koa mba hampidirana vola vahiny betsaka ary manodina avy eo. Notsiahiviny moa fa raha tanteraka soa aman-tsara izany rehetra izany dia tsy ho sarotra amin’ireo tantsaha mpamokatra intsony ny hampidi-bola betsaka ao an-tokantranony.
Pati
Legende : Ny depiote Rajerison Antoine, voafidy tany amin’ny distrikan’Arivonimamo !
 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Niakatra Fitsarana omaly ny raharaha iray anenjehana an’i Fernand Cello,

Card image cap
25-juin-2025

Nifarana omaly tetsy amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa nandinihan’ny teo anivon’ireo

Card image cap
25-juin-2025

Triatra ny fo, hoy ny renim-pianakaviana iray, mahita ireto mpiray tanindrazana mifandimby

Card image cap
25-juin-2025

Niamboho omaly ny Me Lala Ratsirahonana, Mediatioran’ny Repoblika. Mpisolovava,

Card image cap
25-juin-2025

Mafy ny mahazo ireo mpivarotra arendrina vita Malagasy.

Card image cap
25-juin-2025

Ny tsy fananan'asa no anisan'ny fototra miteraka ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Card image cap