airtel

Actualités

27-mai-2025

VOKATRA KATSAKA ETO MADAGASIKARA

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona

Sample post image

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

27-mai-2025

Anisan’ny hahafahana mamelona tantsaha maro anefa izany raha hilofosana ka tsy voatery hafarana any ivelany intsony isika. Anisan’ny antony manosika ny Depiote Rajerison Antoine hanentana sy hamporisika ny tantsaha hamboly katsaka betsaka izany ao anatin’ny distrikan’Arivonimamo, faritra hiadidiany….Toraka izany koa ny kafe Arabika izay notsiahiviny manokana fa efa hahazoan’ireo tantsaha mpamboly ao anatin’ny kaominina iray 15 tapitrisa Ar isaky ny fotoam-pamokarana. Toraka izany koa ny fambolena sakay izay nomarihiny manokana fa efa hahazoan’ireo tantsaha mpamokatra an-tapitrisa isan-kerinandro koa amin’izao eto amintsika. Tsy hijanona hatreo ny ezaka raha araka ny fanazavany. Rehefa mamokatra mantsy hoy izy dia tokony ho afaka manondrana ihany koa mba hampidirana vola vahiny betsaka ary manodina avy eo. Notsiahiviny moa fa raha tanteraka soa aman-tsara izany rehetra izany dia tsy ho sarotra amin’ireo tantsaha mpamokatra intsony ny hampidi-bola betsaka ao an-tokantranony.
Pati
Legende : Ny depiote Rajerison Antoine, voafidy tany amin’ny distrikan’Arivonimamo !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap