airtel

Actualités

31-août-2023

VOKATRA VANIALA

Efa misy koa ireo natokana ho an’ny

Sample post image

mpanao fanatanjahantena Tsy ireo vokatra hahafahana miady amin’ny

31-août-2023

valan’aretina COVID 19 ihany na ny gripa mahery no hahafantarana ny Vaniala, eo anivon’ny vondrona JCR fa efa manana vokatra natoraly natokana ho an’ireo mpanao fanatanjahantena ihany koa izy ireo mba hahazoan’ireto farany fahasalamana. Vita amin’ny zava-maniry avokoa izany rehetra izany. Nanatona ireo toerana heveriny ho lehibe sy be mpanao fanatanjahantena eto an-drenivohitra izy ireo noho izany mba hahafahany miara-miasa ka anisan’ireny ny Academie nationale du sport etsy Ampefiloha na ny ANS. Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ka tontosa soa aman-tsara ny lanonana mifandraika amin’izany. Botika mihitsy io natsangana ao Ampefiloha io ka anisan’ny tanjon’ny roa tonta indrindra fa ny vondrona JCR raha araka ny fanazavan-dRabarioelina Zo, tale jeneraly lefitra eo anivon’ity vondrona ity ny hanolotra vokatra tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana rehefa any aoriana ho an’ireo manjifa izany. Efa nandalo sehatra maro avokoa mantsy ireo vokatra ireo vao namidy no sady eken’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa. Maromaro moa izy ireo no indray miaraka ho an’ireo mpanao fanatanjahantena rehetra.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap