airtel

Actualités

31-août-2023

VOKATRA VANIALA

Efa misy koa ireo natokana ho an’ny

Sample post image

mpanao fanatanjahantena Tsy ireo vokatra hahafahana miady amin’ny

31-août-2023

valan’aretina COVID 19 ihany na ny gripa mahery no hahafantarana ny Vaniala, eo anivon’ny vondrona JCR fa efa manana vokatra natoraly natokana ho an’ireo mpanao fanatanjahantena ihany koa izy ireo mba hahazoan’ireto farany fahasalamana. Vita amin’ny zava-maniry avokoa izany rehetra izany. Nanatona ireo toerana heveriny ho lehibe sy be mpanao fanatanjahantena eto an-drenivohitra izy ireo noho izany mba hahafahany miara-miasa ka anisan’ireny ny Academie nationale du sport etsy Ampefiloha na ny ANS. Nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ka tontosa soa aman-tsara ny lanonana mifandraika amin’izany. Botika mihitsy io natsangana ao Ampefiloha io ka anisan’ny tanjon’ny roa tonta indrindra fa ny vondrona JCR raha araka ny fanazavan-dRabarioelina Zo, tale jeneraly lefitra eo anivon’ity vondrona ity ny hanolotra vokatra tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana rehefa any aoriana ho an’ireo manjifa izany. Efa nandalo sehatra maro avokoa mantsy ireo vokatra ireo vao namidy no sady eken’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ihany koa. Maromaro moa izy ireo no indray miaraka ho an’ireo mpanao fanatanjahantena rehetra.
Pati
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

125 Miliara Ariary eo hatreto ny kaonty nogiazana

Card image cap
17-juil-2026

Miara-miasa amin’ny rafitra iraisampirenena ny ARAI

Card image cap
17-juil-2026

Vao nanomboka dia nangotraka ny delestazy...

Card image cap
17-juil-2026

Misy mibodo ny tanin'ireo mponina

Card image cap
17-juil-2026

marika World Cola ny mpanankato Denise.

Card image cap
17-juil-2026

mampanahy raha tsy miara-mientana isika»

Card image cap