airtel

Actualités

30-oct-2024

VOKATRY NY DELESTAZY

Mitombo ny fampiasana saribao

Sample post image

Malagasy Mahazo aina tanteraka ireo mpivarotra saribao na arina fandrehitra eto amintsika amin’izao.

30-oct-2024

Hatramin’ny nisian’ny fahatapahan-jiro lavareny no mankaty mantsy dia lasa mampiasa saribao avokoa ireo ankamaroan’ny tokantrano Malagasy zatra nampiasa fatana mandeha amin’ny herinaratra teo aloha. Nitombo tapa-gony isan’andro eo ho eo no lafony raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray mpivarotra saribao teny Atsimondrano teny. Amin’ny ankapobeny mantsy dia iray gony eo ho eo no lafon’ny mpivarotra iray isan’andro raha amoron-dalana sy be olona ilay toerana. Niakatra ho iray gony sy tapany izany ankehitriny. Tsiahivina moa fa efa 30.000 Ar ny iray gony amin’ny saribao amin’izao raha efa misy mahatratra 35.000 Ar ny sasany. Tsy mahazo iray famarana intsony noho izany 200 Ar fa efa 500 Ar vao miresaka no sady mbola zara raha misy ihany koa. Mety mbola hiakatra 1000 Ar aza ny famarana hoy ity Renim-pianakaviana mpivarotra ity raha vantany vao milatsaka tsy miato eo ny ranon’orana noho ny tsy fisian’ny lalana sy ny tsy fahafahan’ireo mpanao saribao mamokatra ara-dalana. Ankoatra ny any amin’ny lalam-pirenena faharoa moa dia anisan’ny mamatsy saribao antsika eto an-drenivohitra ihany koa ny any amin’ny lalam-pirenena fahafito.
Pati
Legende : Mahalany saribao 2000 Ar isan’andro ny tokantrano iray raha kely !
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady

Card image cap
13-mai-2025

Andao harenina ity fitsarana ity. Sahia miteny isan’andro amin’ny havanareo: fahotana ny kolikoly .

Card image cap
13-mai-2025

Taorian’ny KFC izany dia hoavy eto Madagasikara koa ny Mc Donald’s na Mc Do,

Card image cap
13-mai-2025

Ny kojakojan-dakozia sy ny fandriana no tena be mpividy indrindra amin’izao ho an’ireo

Card image cap
09-mai-2025

Miantso ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hidina any Ranobe, Toliara,

Card image cap
09-mai-2025

Tena mijaly amin’ny hafitsoky ny mpamosavy ireo miaramila mitoby ao amin’ny tobiny any amin’ny

Card image cap