airtel

Actualités

14-avril-2023

Actualités

Vokatry ny fahasahiranana 15 ireo tanora namono tena tato anatin’ny iray volana

Sample post image

Tena mafy ny fiainana. Tsy misy izay tsy miaiky izany ny isam-baravarana nefa ny adidy betsaka. Mitombo isa vokatr’izany ireo olona mamono tena.

14-avril-2023

Mihatanora ireo manao izany raha araka ny fanadihadiana nataon’ny observatoire de la jeunesse. 18 ka hatramin’ny 23 taona eo ho eo ny ankamaroany raha nisy ankizy mihitsy ireo nentina tetsy amin’ny hopitaly CHU JRA Ampefiloha nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska. Miisa 15 ny trangana famonoana tena niseho tao anatin’ny iray volana raha ny tatitra nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Vehivavy ny 6 ary 8 ny lehilahy ka tao anatin’ny faritra 5 dia Analamanga, Analajorofo, Amoron’i Mania, Vakinakaratra ary no nisehoan’izany. Antony telo raha fehezina no mitarika izao famoan-tena hataon’ny taonora izao. Ankoatra ny olana ara-pitiavana dia manampy trotraka izany ny olana ara-toekarana sy ara-tsosialy noho ny fahasarotan’ny fiainana sy ny adidy manavesatra azy ireo kanefa tsy mbola manana asa hany ka tsy zakany intsony ny mamaha izany satria manjovozavony tanteraka ny ho aviny. Faharoa, noho ny fandraisana zava-mahadomelona ka voafehiny intsony izany. Fahatelo farany dia efa leo ny miaina izy ireo satria takonan’ny olana sy fijaliana mahazo azy ny fiainany ka tsy mahita ny hamamin’ny fiainana intsony raha ny fanazavana hatrany.
IVON-TOERAM-PIHAINOANA
Maika ny fananganana sy fanitarana ireo ivon-toeram-pihainoana ho an’ny tanora araka eto Analamanga. Toraka izany koa ny any amin’ny Faritra Vakinankaratra, Analanjirofo ary Amoron’i Mania, anisan’ireo toerana nahitana ireo tanora namono tena ireo. Mila olona afaka mihaino azy mantsy ireny tanora ireny ho an’ny observatoire de la jeunesse mba hamborahany ny alahelony sy hitantarany ny manjo azy ka tsy hahatongavany any amin’ilay fahaketrahana ara-tsaina tanteraka. Miantso ny fanjakana mba handray andraikitra mihitsy ny observatoara manoloana izany. Araka ny fanazavan’i Andry Razakamanana psikology iray dia vokatry ny rarin-tsaina diso tafahoatra mahazo ny olona noho ny olana maro sedrainy eo amin’ny fiainana ka tsy zakany intsony ny mifehy azy no mitarika mankany amin’ny fahaketrahana ara-tsaina ao anatiny izay no mitondra avy hatrany any amin’ny famoanoan-tena. Antony tokana ihany hoy izy no mahatonga ny olana hamono tena dia mitady izay fomba hampijanonana ilay hirifiry ao anatiny hoy hatrany izy. Nomarihiny koa fa efa hatramin’ny mbola kely no niharan’ny herisetra ny ankizy na ny tanora ka lasa ny lafy ratsiny no betsaka mibahan-toerana noho ny lafin-tsaran’ny fiainana ka eo indrindra no ilaina ny fandraisan’andraikitry ny fiarahamonina mba hanentana azy ireny hitodika amin’ny fiainana fa tsy ho azon’ny famoizam-po. Tsy ampy koa fanabezana ka tokony hanampy sy hanome torohevitra ho an’ny tanora tratran’ny fahaketrahana ara-tsaina ny fiaraha-monina sy ireo olona manodidina azy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap