Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpitantana cybercafé iray eto an-drenivohitra dia mahatratra 40 eo ho eo raha kely ireo tovovavy tonga ao aminy isan’andro. Manodidina ny 14 taona ka hatramin’ny 25 taona eo ho eo ny ankamaroan’izy ireo. Mahalany ora iray eo ho eo ny tovovavy iray mitady vady vazaha amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ka misy ireo mahita raha misy ihany koa ireo tsy mahita. Raha araka ny fanazavan’ity mpitantana cyber ity hatrany dia tanora mpianatra ny ankamaroan’izy ireo no sady zanaky ny sahirana. Leo ny fahantrana toy ny fandehanana an-tongotra mandeha mianatra isan’andro, ny fihafiana amin’ny sakafo atoandro, ny tsy fananana finday tsara tarehy hampiasaina ary koa tsy fahafahana manaraka lamaody izy ireo ka lasa manaotao foana. Misy amin’ireo tovovavy kely ireo moa no efa mivaro-tena ankolaka amin’ny endriny maro samihafa mihitsy hoy hatrany ity mpitantana cyber ity.
Pati
Legende : Lasa manaotao foana amin’ny tambajotran-tserasera Facebook ny ankamaroan’ny tovovavy Malagasy noho ny fahasahiranana !
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,