Anisan’ny nitsikian’ny vintana tamin’izany i Larissa ilay tovovavy kely vao 25 taona monja raha misy. Nahazo vady vazaha antsoina hoe : Louis Rochefeuille ny anaovavy izay tera-tany Frantsay. Louis Rochefeuille . Ny 11 febroary lasa teo no nifaiky teo anoloan'ny fanjakana tao Toliara izy ireo fa ho mpivady mandrakizay. Ny 10 Septambra lasa teo anefa dia nanomboka narary i Larissa. Nihena be ny lanjany, ary matetika no nanao krizy sy nihinjitsinjitra izy. Notsaboina tao Toliara izy noho izy. Indrisy anefa fa nopaohan-drafahafatesana afak’omaly Sabotsy 16 Septambra ny anaovavy. Ny akanjo mariaziny noho izany no nosafidiam-badiny nampanaovina azy raha izay ihany koa no hafatry ny maty. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia nisy nanapoizina i Larissa, antony nitarika izao fahafatesany izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Lasa nandao ny tany i Larissa !
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny