airtel

Actualités

04-nov-2025

Vokatry ny tolom-bahoaka

Manomboka lasa fomba amam-panao

Sample post image

eto ny fidinana an-dalambe

04-nov-2025

Nifanatrika mivantana ireo olona mitaky ny fialan’ny ben’ny tanàna ao Ambalavao (Matsiatra ambony) sy ireo olona manohana azy, izany hoe maniry ny mbola ijanonany eo amin’ny toerany. Omaly alatsiniany dia niditra teo amin’ny kianjan’ny 13 mai Analakely ireo mpianatra avy eo nirohotra nankeny amin’ny minisiteran’ny fanababeazam-pirenena Anosy, mitaky ny hitohizan’ny fianarana izy ireo , alamino ny olan’ny mpampianatra fa te hianatra izahay, hoy ny hafatra. Zavatra iray teraka taorian’ny tolom-bahoaka notarihin’ny tanora izany dia ny fanehoan-kevitra an-dalambe, tsy tahaka ny tany aloha intsony hoe aiza ny alalana, aterina any amin’ny prefe, toa manao sakana be ny Emmoreg, karazana fandrahonana sy fampihorohoroana hoe hosamborina ianareo raha vao anohintohna ny fifamezivezen’ny hafa eo. Fa ity hita tany Ambalavao ity izany dia na ny mpanohitra na ny mpomba ilay ben’ny tanàna dia samy nidina an-dalambe dia nifanena teo. Tsaroana ihany koa fa tonga teny amin’ny kianjan’ny 13 mai rehefa avy nanao diabe ireo mpomba ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, naneho hevitra an-kalalahana tsy nisy sakantsakana izy ireo. Efa nisy ihany koa ny fikambanana iray eto an-drenivohitra tonga teny amin’ny lapan’ny tanàna nangataka ny fialan’ny ben’ny tanàna ny zoma lasa teo. Midika izany rehetra izany fa manomboka lasa fomba amam-panao amin’ny fianana eto Madagasikara ny fanehoan-kevitra sy fidinana an-dalambe ; mazava ho azy fa tsy hoe hanao herisetra na handroba fa tena maneho hevitra. Fandresena lehibe izany ary ho sarotsarotra ihany ny hanafoana azy, fandaminana sy fifandaminana angamba no mila atao tsara fa dia efa malalaka tsara aloha izany hatreto aloha ny fanehoan-kevitra an-dalambe na an-kalamanjana.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap