airtel

Actualités

26-mai-2023

Actualités

Vokatry ny tsy fahasahiranana-tsy an’asa

Sample post image

Mitombo isa ny tovovavy lasa misotro sy mifoka

26-mai-2023

Tsy fantatra intsony na noho ny fivoarana diso tafahoatra na lamaody avy any ivelany fa mitombo isa ireo tanora tovovavy miroso amin’ny fisotroana sy ny fifohana eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny labiera sy ny zava-mahadomelina mahery vaika izay mihanaka sy mampitaraina ny maro tokoa. Kely sisa dia hitovy ny isan’ireo lehilahy sy vehivavy miditra any amin’ny bar isan-kariva.
TANDINDOMIN-DOZA
Ny 80%-n’ny Malagasy dia tanora latsaky ny 25 taona avokoa. Ny mampalahelo anefa dia tandindomin-doza tanteraka ny ho avin’izy ireny. Mihamaro ireo tanora tovovavy miroso mankany amin’ny fifohana sy ny fisotroana. Misy mbola tsy ampy taona mihitsy ny sasany, tombanana ho mpianatry ny lisea, antony hitetezan’ny mpitandro ny filaminana sekoly hanaovany fanentanana… Tato anatin’ny herin-taona latsaka no tena nampirongatra be izany raha araka ny fanadihadiana natao raha mbola manampy trotraka izany ihany koa ny fitomboan’ireo toeram-pisotroana zava-pisotro ho an’ny vehivavy. Ho antsika eto an-drenivohitra dia efa maromaro izy ireny ary misokatra isan’andro no sady manolo-tsaina sy mampahafantatra ny vehivavy ireo karazana zava-pisotro mety amin’ireto farany misy ao aminy….Mba manana zo ny hiala voly sy hanala azy ihany koa mantsy hono ny vehivavy ho an’ireny ivon-toerana ireny fa tsy ny lehilahy irery ihany. Tafiditra ao anatin’izany ny fisotroana miaraka amin’ny namana hanalana rarintsaina noho ny rotorotom-piainana ankehitriny, indrindra fa rehefa faran’ny herinandro.
TSY AN’ASA, TARITIN’NY NAMANA, SAHIRANA
Maro ny antony mahatonga ireo tanora tovovavy na vehivavy efa lehibebe mandray sy misotro toaka na mifoka sigara raha araka ny fanadihadiana natao. Ho an’ireo sokajin’olona tena sahirana dia noho ny adim-piainana mahazo azy no tena manosika azy ireny hanao izany, raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray. Betsaka mantsy ireo maty vady na nilaozam-bady nefa mamelon-janaka hany ka mahatsiaro resy tanteraka.Tsy maintsy hefaina isam-bolana nefa ny hofantranon’olona, ny hofan-jiron’ny JIRAMA raha misy, ny fitadiavana ny hanin-kohanina isan’andro nefa karama sasa lamba na irakiraka no mba hivelomana. Ilay toakakely na paraky na sigara kely araka izany no mba ody risika hampiasain’izy ireny hiatrehana ny fiainana. Raha mahita 5000 Ar ohatra ny Renim-pianakaviana iray androany vokatr’izany dia tsy maintsy mankany amin’ny consomme ny 1000 Ar mba hanafanana kibokely sy hampiakarana moraly. Misy indray ireo efa tena mivary lavo tsotra izao. Tsy mety mahita asa nefa marobe ireo adidy tokony hatao ka mahatsiaro tena ho vesatry ny fianakaviany sy ny fiaraha-monina. Mamono tena na misotro toakabe no hany fanafody hitany noho izany. Ho an’ireo tanora vao miala sakana na mpianatra indray dia taritin’ny namany ny ankamaroan’izy ireny. Manandrana ary tsy mety afaka intsony, tranga tonga hatrany amin’ny fitsindromana roro.
10 AMIN’NY 30
Ho an’ireo sokajina vehivavy miditra any amin’ny bar isan’andro dia manodidina ny 10 amin’ireo olona 30 mahery hita ato anatin’ireny ivon-toerana ireny izy ireo. Ny antsasak’ireo dia ilay mipetraka mandray vera ary mandany 30 minitra eo ho eo raha kely indrindra raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompona bara iray raha mandalo misotro consomme kosa ny 5 ambiny. Misy tanora vao herotrerony tokoa ireo tovovavy miditra any amin’ny bara isan’andro ireo ary mandany hatrany amin’ny 10.000 Ar isanisany raha kely. Mbola hafa ny vidina sigara hoy hatrany ity tompona bara ity. Mpinamana izy ireny amin’ny ankapobeny. Anisan’ny antony miteraka ireo tanora tovovavy tratry ny tsy fahatsiarovan-tena vokatry ny fisotroan-toaka izany na coma ethylique. Rehefa tena voa kosa anefa izy ireny vao manatona ny hopitaly toy ny ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 21 taona. Ho an’ny toeram-pandihizana na ireny boite ireny dia fantatra fa mifanahantsahana ny isan’ny tovolahy sy ny tovovavy miditra amin’izy ireny. Indraindray anefa dia ny tovovavy no betsaka raha oharina amin’ny tovolahy. Indraindray ihany koa 40% eo ho eo ny salan’isa tovovavy. Ny karazan-toaka Vodka no tena fisotron’izy ireny. Eo anelanelan’ny 1.000 Ar ka hatramin’ny 5000 Ar isan’olona moa ny fidirana any amin’ny « boite » raha tsiahivina, miankina amin’ilay toerana sy ny kalitaon’ny zavatra hatolony.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap