airtel

Actualités

08-janv-2025

Vola azo iantsenana any an-dafy ferana ho 10 000Euros

Mahatsiaro ho potehina sy hazalambo ny mpandraharaha malagasy

Sample post image

Mahatsiaro ho potehina sy hazalambo ny mpandraharaha malagasy manoloana ity famerana ho 10.000 Euro

08-janv-2025

ny vola azo iantsenana any an-dafy ity, raha ny fampahatsiahivan’ny vondron’ireo mpandraharaha mpanafatra entana any ivelany hatramin’izao. Ny volana jolay 2021 moa, raha ny fampahatsiahivan’izy ireo, no nivoaka ny fanapahana momba izany, izay efa nampitaraina mpandraharaha maro, ary nanome toky ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritry ny fifampiarahabana tratry ny taona 2022 fa ho jerena ny hanitsiana izany. Nandrasana nefa ny andro. Niodina ny taona. Nijanona ho fampanantenana poakaty hatrany izany. Mbola tao anaty filankevitry ny minisitra ny 24 jolay 2024 indray ho dinihina ny hanamaivanana ny vola miditra sy mivoaka eto Madagasikara kanefa tsy hita akory hoe nanao ahoana. Isan’ireo efa nanao fitarainana miverimberina mikasika izany ny mpandraharaha amin’ny tontolon’ny fanamafisam-peo, Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara, raha nilaza fa tetibola kely indrindra natao ho an’ny mpizahantany izany 10.000 Euro izany. Famotehana ireo mpandraharaha io, hoy izy, tamin’izay fotoana izay, ary isan’ny manome vahana ny famotsiam-bola satria tsy maintsy voatery mifanaraka amin’ireo mpanao fanodinana na «transfert » toy ny any Dobay ve izany, ohatra, ny mpandraharaha vao tena afaka mahazo ny entana ilainy amin’ny fandraharahany? Ny «receveur de douane» na lehiben’ny fadin-tseranana koa, tetsy ankilany, nanamafy farany teo, tao anatin’ireny fahatrarana trafikana sokatra sy volamena ireny, fa ho enjehina fatratra ireo mpamoaka devizy dia aiza ihany izany ilay vahaolana nambaran’ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny fitarainan’ireo mpandraharaha malagasy? Fanontaniana isan’ny mipetraka koa etsy ankilan’izay ny hoe rahoviana indray ny fampanantenana manaraka fa ho dinihina ny hanamaivana izay fahafaha-mampiditra sy mamoaka vola eto izay, toy ilay fampanantenana tamin’ny volana jolay hatrany? Ho tohizana amin’ny fampanantenana mandritry ny 5 taona manaraka indray ve izany ny fitantanana ity firenena ity? Mandritry ny 4 taona moa izany satria vita sahady izay ny herintaona.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap