airtel

Actualités

14-nov-2025

Volam-panjakana sy volamena tao amin’ny BFM

Liana te hahafahantra ny tena marina

Sample post image

ny olom-pirenena, hoy ny KMF/CNOE

14-nov-2025

Namoaka fanambarana fohy mitondra ny laharana KMF/CNOE/Fanamb 2025/ Lah-05/13 NOV ny Firaisamonim-pirenena KMF/CNOE Fanabeazana olom-pirenena omaly, naneho ny ahiahy mikasika ny volam-panjakana ka nanehoan’izy ireo fa lina ny tena marina ny olom-pirenena. « Mandeha ny feo fa fongana ny vola sy ny volamena tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Miseho amin’ny endrika maro ny fiheverana ny fandikan-dalàna ny maha-Fanjakana Lahika an’i Madagasikara. Malaza etsy sy eroa ny fisavana sy ny fanamborana. Miandry fatratra ny vokatry ny fanadihadiana ny olompirenena. », hoy izy ireo. Miandrandra ireo manampahefana hanazava ho amin’ny olompirenena amin’ny alalan’ny haino vaky jery ny zava-misy marina mahakasika ireny, hoy hatrany io Firaisamonim-pirenena io. Vao avy nandalo krizy, korontana politika ny Firenena,… Nalaza tao anatin’ny vanim-potoana nivaivay nanomboka ny 25 septambra ny resaka sy sary niparitaka samihafa mikasika ny famindram-bola, fitaovana entana,… nataon’ny mpitondra teo aloha. Nanao ahoana tokoa ny volam-panjakana toarian’izay ? Voaresaka matetika ihany koa ny hoe : tsy manam-bola ny Fanjakana ka tena mitombina ve ny hoe nalaina ny volam-panjakana ? Tena voaaro sa nisy nanao be fandraoka ? Manao ahoana ny tahiry amin’izao fotoana izao ? Mety stratejika sy saropady izany, saingy efa nisafidy ny hiroso amin’ny mangarahara isika.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap