tamin’ny raharaha fahaverezana volamena 36,433kg tao amin’ny Minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Tale jeneraly iray nitazona ny fanalahidy sy ny sekrtera iray nitana birao ireo nohelohina ireo, raha toa ka olona 10 no voarohirohy, izay nahitana Tale Jeneraly miisa 3 sy sekretera nitana ny birao. Ny primatiora tamin’ny alalan’ny DLC (Direction de la Législation et du Contentieux) no mpitory. Raha hiverenana, nandritra ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany teo aloha sy ny vaovao ny 01 jona 2022 no nahitana fa tsy tao ny volamena. Ny 28 jona 2022 no nilaza ny Praiminisitra Ntsay Christian fa efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe: tena napetraka tao ve ny volamena sa tsia fa raha ny nambarany tamin’izany. Isan’ny nitantana io Minisitera io nandritra ny 8 volana (23 aogositra 2021-16 martsa 2022), nialoha azy dia Atoa Fidiniavo Ravokatra (24 janoary 2019-15 aogositra 2021) raha toa ka 3 andro monja ary tsy tafiditra birao akory aza i Brice Randrianasolo taorian’izay. Ny minisitra ankehitriny Olivier Rakotomalala kosa nilaza tamin’izany fa fanao ny fanamarinana na « inventaire systématique » mialohan’ny nandraisana ny fanalahidy noho ny fisian’ny fifamindram-pahefana sy fitantanana no natao ka nahitana fa tsy ny volamena intsony no tao fa karazam-by 22 kg. Dia tena hoe : nandray fanalahidy tsy nisy fanamarinana ve izany izay mpitantana nifanesy tao ? Tsy nisy fanamarinana ny fitanana an-tsoratra? Ny faha-5 oktobra 2018 dia nisy fanisana na « inventaire » natao ka mbola hita tao anatin’ilay vata nangejana azy ilay volamena 36 Kilao. Ny lahatsoratra an-gazety iray ny fiandohan’ny jolay 2022 kosa nilaza hoe : fa ny vokatry ny fanadihadiana dia milaza fa tsy tamin’ny fotoana naha minisitra vonjimaika ny Praiminisitra Ntsay Christian satria ny faha-15 novambra 2021, dia tsy nomen’ny olona nitana ny mari-panamarihana manokana na « code secret »-n’ilay vata (coffre) izy. Io voka-panadihadiana io no nanipika fa « teo anelanelan’ny faha-5 aprily 2019 ka hatramin’ny faha-11 septambra 2020 no nahaverezan’io volamena sy vatosoa voageja io »,... Tao anatin’ny vanim-potoana nampirongatra ny trafikana volamena no niseho ny fanjavonana izay toa ahafaha-manao petra-kevitra hoe: avy aiza marina ny atidoha? Ahoana ny tohin’ireo trafika goavana hafa ? Efa tambajotra goavana fa ireto olona 2 tao amin’ny Minisitera ireto aloha izany no sorona?
Toky R
Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,
Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.
Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.
Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,
Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.
Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.