airtel

Actualités

30-oct-2024

Volamena 50 kg tsy omen’i Kaomoro

Noferana tsy hanonona ny tompony ireo Malagasy tratra ?

Sample post image

Miha mangatsiaka hatrany amin’izao fotoana izao ny fifandraisana ara-diplaomatika

30-oct-2024

eo amin’i Madagasikara sy Kaomoro, raha ny fitateran’ny gazety boky afrikanina, Jeune Afrique, azy. Vokatry ny fanidina ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, izay namafisin-drizareo kaomorianina fa fanapahan-kevitra mandeha ila moa izany ary na ilay antony ara-pahasalamana nolazaina aza tsy maharesy lahatra, hoy ny fanambaran’ny fanjakàna kaomorianina. Nisy mpandeha miisa 280 tao amin’ilay sambo Acadie saika hiantsona tao Mahajanga ny 17 oktobra teo, hoy ny fampahatsiahivana. Efa 3 andro ireo no teny an-dranomasina no mbola niandry 55 ora indray, 10 metatra teo ho eo tsy hahatongavana teo amin’ny fiantsonan-tsambo no nahazo fandroahana azy ireo hiverina any amin’ny nosy Anjouan indray ny 21 oktobra. Tsy nahafantatra ireo hoe ny alina mialohan’ny hahatongavan’izy ireo teto Madagasikara no nisy filankevitry ny minisitra niaraka tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nanapaka fa hidiana ho an’i Kaomoro ny sisin-dranomasin’i Madagasikara. Nanamarina izany tokoa moa ny fanambarana avy amin’ny governemanta malagasy ny 21 oktobra teo fa noho ny fahitàna trangana aretina Kolerà amin’olona am-polony tamin’ireo 200 isa nanaovana fitiliana ny faran’ny herinandro iny tao Kaomoro no nahatonga ny fanapahan-kevitra. Namaly bontana izany ny minisitry ny raharaham-bahiny kaomorianina ary nilaza fa na ny OMS, izany hoe ny rafitry ny firenena mikambana momba ny fahasalamana aza mbola tsy nandray fepetra mikasika izany toe-draharaha izany ka tokony hiverina amin’ny fanapahan-keviny, noho izany, ny fanjakàna malagasy. Sambany, araka izany, i Moroni no nampiaka-peo tamin’ny mpifanolo-bodirindrina aminy, izay 4 taona izao, no nanidy ny seranam-piaramanidiny ihany koa noho ny antony izay tsy mifanalavitra amin’ity voalaza ankehitriny ity. Neverina ihany koa fa tsy fahafaliana vokatr’izany no nahatonga ny filoham-pirenena kaomorianina, Azali Assoumani, tsy handray ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, izay tokony nivahiny tany an-toerana ny 24 oktobra teo. Ny 28 desambra 2021 moa, raha tsiahivina hatrany, no nisy ilay raharaha fahatrarana volamena milanja 50kg tao Kaomoro, izay voalaza fa avy aty Madagasikara. Tratra tanaty entana tsotra tanaty sambo tao Anjouan izy io ka ireo biriky na «lingots» no saika ahondrana miainga tao Kaomoro ho any Dobay ary any indray no mbola nisy fiaramanidina manokana na «Jet privé» miandry izany. Lehilahy miisa 3 no nosamborina ka kaomorianina ny iray raha toa ka naverina an-tanindrazana kosa ireo malagasy roalahy taorian’ny fivahinianana tampoka nataon’ny minisitry ny fitsaràna malagasy tamin’izany tao Moroni, Herilaza Imbiky. Nody maina tsy nitondra ilay volamena moa ity minisitra ity tamin’izany ary voalaza fa mbola mihidy tsara ao amin’ny banky foibe kaomorianina ao hatramin’izao ilay volamena 50kg. Tsy nitsahatra nanao fitakiana ny amin’ny hamerenana izany ny filoham-pirenena malagasy saingy niala maina hatramin’izao ihany koa ary dia mitranga an-kolaka izany io ankehitriny ny tsy fifankahazoana eo amin’ny firenena roa tonta ary isan’ny fanontaniana goavana ny hoe lasa raharaha manokana eo amin’i Rajoelina sy Assoumani ve izany ity raharaha ity? Nanenja-tady koa tetsy an-kilany ny fanjakàna kaomorianina fa tsy mbola voamarina hoe avy ao Madagasikara tokoa ny volamena.

Misy an’ireo teratany Malagasy roalahy tratra tany Comores nitondra an'ireo volamena ireoefa eto, nalain'ny Minisitra teo aloha Imbiky Herilaza tany ka tompon'entana sa « passeurs » ary izany ireo ? Tsy ny famotorana an'izy ireo ve no ahalalana ny marina hoe avy aiza marina ireo volamena ireo no lasa mivadika hoe : an-dry zareo Malianina indray ? Sa nofeperana tsy hanonona anaran'olona ry zalahy ireo ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

11-nov-2024

toy ny serasera efa heno foana avy amin’ny Fanjakana, ambany dia ambany ary tsy mbola niakatra ny famokarana

Card image cap
11-nov-2024

Naverin'i Tahina Razafinjoelina teny Anosipatrana indray omaly fa matoa izy izay mitsidika toerana iray

Card image cap
11-nov-2024

Notanterahana teny amin’ny Kaominina Ambavahaditokana afak’omaly Sabotsy 09 Novambra ny lanonana

Card image cap
07-nov-2024

Nanapa-kevitra ny hitazona ny taha amin’ny "facilités permanentes" ho tsy miova, izany hoe 9,50 %

Card image cap