antsoina hoe Mohammed, saika hiondrana tamin'ny zotra laharana MK289 hiainga tetsy Ivato, hihazo an'i Colombo (Sri Lanka) mandalo ao Maurice Sy Dubai no sarona, nahatratrarana bolongana volamena miisa 7 mitontaly 835 grama. Noahiahiana, ka nosavaina tamin'ny scanner Amarante. Rehefa nosavaina ny vatany, dia tsy nahitana na inona na inona. Rehefa nampandalovina "magnétomètre" dia hita misy vy mampiahiahy anaty vatany. Nambarany anefa fa misy vy ny tongony ka nampaneno ny "magnétomètre". Mailo ny mpiasan'ny fadin-tseranana ka nampiantso dokotera. Rehefa natao ny fitiliana dia tratra nafeniny tany anaty fitombenany ireo bolongam-bolamena ireo. Mbola niampy vatosoa miloko manga izay heverina ho Safira milanja 20 gr. Atolotra ny fampanoavana ny fampanoavana anio alarobia 29 jona 2022 ity teratany sri-lankais ity. Tsara ny mampahatsiahy vao ny 15 jona teo nisy teratany karana sy sinoa sarona teny Ivato, ka tany amin’ny fitombenana ihany koa no nanitrihana volamena 895grama. Lasa fomba fanao izany ity fandefasana azy any anaty fitombenana ity. Raha am-polony na an-jatony kilao latsaka no sarona hatrizay, dia manodidina ny iray kilao isaky ny mandeha indray itony tratra itony? Zava-dehibe ny fahatrarana ireo olon-dratsy kanefa sao mba misy fampatoriana eo anatrehan’ny amin’ny am-polony na an-jatony kilao na amin’ny taonina mihitsy mivoaka ihany itony ?
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny