airtel

Actualités

08-janv-2025

VOLANA JANOARY

Manomboka mivaro-pananana sahady ny olona

Sample post image

Manao tohivakana indray ireo olona tazana mivaro-pananana eny amin’ireo toerana

08-janv-2025

mandray entana tonta eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina Renim-pianakaviana iray mpandray ireny entana ireny etsy Ambodin’Isotry dia nanomboka tamin’ny Sabotsy 03 Janoary teo no nisian’izany ka ireo radio lehibe toy ny Subwoofer, ny vilany kokoty no tena be mpivarotra indrindra. Raha ny fanazavany dia nentina nanalana fotsiny ny fety tamin’ny ankapobeny no nividianan’ny tokantrano sasany azy ireny. Vao vita anefa izany ka lany ny teo am-pelatanana dia navadik’izy ireo vola indray izany mba handoavana saram-pianaran’ny mpianatra, ny hofan-jiron’ny JIRAMA….Nambaran’ity Renim-pianakaviana mpandray entana tonta ity hatrany fa na dia sahirana aza ny olona dia tsy manome vola eo noho eo ihany koa izy ireo fa tsy maintsy miandry. Eo amin’ny herinandro eo ho eo anefa raha ela izany dia voaloha. Tsy maintsy miandry mpividy ihany koa mantsy izy ireo ary tsy alefany izany raha tsy hahazoany tombony. Nomarihin’ity Renim-pianakaviana iray mpivarotra ity moa fa fotoana tena mampandeha ny tsenan’izy ireo ny vanim-potoana aorian’ny fety tahaka izao. Noho ny fahasahiranan’ny olona no nambarany fa antony mahatonga izany rehetra izany.
Pati
Legende : Ny Subwoofer tahaka izao no tena be mpivarotra indrindra amin’izao !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap