mandray entana tonta eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina Renim-pianakaviana iray mpandray ireny entana ireny etsy Ambodin’Isotry dia nanomboka tamin’ny Sabotsy 03 Janoary teo no nisian’izany ka ireo radio lehibe toy ny Subwoofer, ny vilany kokoty no tena be mpivarotra indrindra. Raha ny fanazavany dia nentina nanalana fotsiny ny fety tamin’ny ankapobeny no nividianan’ny tokantrano sasany azy ireny. Vao vita anefa izany ka lany ny teo am-pelatanana dia navadik’izy ireo vola indray izany mba handoavana saram-pianaran’ny mpianatra, ny hofan-jiron’ny JIRAMA….Nambaran’ity Renim-pianakaviana mpandray entana tonta ity hatrany fa na dia sahirana aza ny olona dia tsy manome vola eo noho eo ihany koa izy ireo fa tsy maintsy miandry. Eo amin’ny herinandro eo ho eo anefa raha ela izany dia voaloha. Tsy maintsy miandry mpividy ihany koa mantsy izy ireo ary tsy alefany izany raha tsy hahazoany tombony. Nomarihin’ity Renim-pianakaviana iray mpivarotra ity moa fa fotoana tena mampandeha ny tsenan’izy ireo ny vanim-potoana aorian’ny fety tahaka izao. Noho ny fahasahiranan’ny olona no nambarany fa antony mahatonga izany rehetra izany.
Pati
Legende : Ny Subwoofer tahaka izao no tena be mpivarotra indrindra amin’izao !
Ny 15 aprily 2025 teo no voalaza fa efa hita ny marimaritra iraisana teo amin’ny
Manana akora fototra maro isan-karazany i Madagasikara, ary manana tany
Namoaka vokatra vaovao ny orinasam-pifandraisana Airtel hiarovana ny mpanjifa amin'ireo
Zatovovavy kely iray vao 17 taona monja monina eny Sabotsy Namehana
Olona 7 mianaka indray no fantatra fa tratran'ny fanapoizinana ara-tsakafo
Teratany vahiny iray monina eny Andranovelona Ilafy no mampitaraina ny mponina