eto amintsika ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny Famatsiam-bola Eoropeana ho an’ny Fampandrosoana na ny FED. Nanolotra famatsiam-bola mitentina 492 tapitrisa Euros ho an’i Madafasikara izy ireo amin’ny alalan’ny PIN na Programme Indicatif National. Mifanohana amin’ny fitantanana io vola io ny BACE na ny Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure mba tena hisy fiantraikany eny ifotony izany miaraka amin’ny Ministry ny teti-bola sy ny toe-karena. Voakasik’izany manokana ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra ho enti-miady amin’ny fahantrana. Tanjona ny hahafahana manohana ireo olona tena marefo miaina eny ambanivohitra sy hahafahana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika vokatry ny fahasahiranana. Fandaharan’asa telo no tafiditra ao anatin’izany dia ny fandaharan’asa Rindra, ny fandaharan’asa AFAFI Nord ary ny AFAFI Centre sy ny AFAFI Sud. Ho an’ny AFAFI Nord manokana dia ny Faritra SAVA sy DIANA ary Analanjirofo no hiasany manokana. Anisan’ny asa maika efa notanterahiny ohatra fikarakarana ny ao Andavakatsantsa sy ny ao Ambananitelo, amin’ireo karazana foto-drafitrasa tena ilain’ny tantsaha . Misy ihany koa ny fanamboarana ny toho-drano ao SAVA hanatsarana ny fahazoan’ny tantsaha rano. Ireo tantsaha mpamboly vary sy akondro ary mpiompy trondro no tena ezahina mahazo tombontsoa amin’izany amin’ny alalan’ny tetikasa SahandrialaVohajaryKendrenaHaharitra na ny Savokha miampy ny fanampiana ireo fikambanana mpitantana ny rano... Tsiahivina moa fa efa tamin’ny taona 2019 no niasa tany amin’ny distrikan’Ambilobe ny tetikasa AFAFI Nord. Karazana ONG maro no nifanome tanana taminy tamin’izany nanampiana ny mponina.
Pati
Legende : Santionany amin’ny asa fanajariana efa nataon’ny AFAFI Nord !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny