airtel

Actualités

10-juil-2026

Vondrona G5

"Matoky ny FFKM,

Sample post image

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena!"

10-juil-2026

Naneho fiaraha-miory eo anatrehan'ny famoizana zanaka sy havana vokatry ny ambaran'izy ireo fa ataon'ireo tsy mataho-tody sy manakorontana Firenena ny Vondrona G5. Niantso firaisamonim-pirenena sy fahamailoana ary hiantso ny manampahefana rehefa misy tranga hafahafa. Nampahatsiahy ny G5 fa vondronan'ny farintany dimy izay miaro ny firaisam-pirenena ho an'ny faritany enina (6) ary misy mpandrindra 6 ao amin'ny mpikamban'ny Birao ny G5 ary iray isaky ny faritany. Manoloana ny raharaha politika eto Madagasikara, nanamafy ny G5 fa ny krizy politika misesisesy dia mitaky vahaolana maharitra sy mirindra. Miombon-kevitra amin'ny "Dialogue inclusif" nambaran'ny SADC farany teo ny G5, saingy mino koa izahay fa ny vahaolana tena maharitra dia tsy maintsy mifototra amin'ny fihavanana sy ny fifampiresahana eo amin'ny samy malagasy, raha ny nambarany. Eo anatrehan'izany dia manao antso avo ity vovonana G5 ity ho an'ny mpisehatra politika sy ny hery velona rehetra mba hitambatra hamoaka hevitra iraisana ho any amin'ny "Accord politique" ho tombotsoa ambon'ny firenena. Noho izany dia mangataka ny fahendren'ny mpitondra ny fanjakana Fanavaozana izy ireo mba hanaiky hisin'ny dinika iraisana ho an'ny mpisehatra Politika rehetra mba hisian'ny vahaolana ho an'ny fitiavan-tanindrazana. Naneho fisaorana manokana ho an'ny Filohan'ny Fanavaozana Michael RANDRIANIRINA izay nanendry an'ny FFKM, hitarika sy ny fikarakarana tanteraka ny fikaonandoham-pirenena ary mamporisika izy ireo mba ho tanteraka hatrany ny adidy sy andraikitra manoloana an'izany ny FFKM sy ny Mpitondra Fanjakana ny Fanavaozana ho fanamafisana ny fihavanana sy fahandriampahalemana eto Madagasikara. Nanamafy ny G5 fa mitaky hatrany ny fampihavanam-pirenena tena izy, izay hitarika amin'ny fanovan-drafitra makany amin'ny fitsinjaram-pahefana tena izy ho amin'ny Repoblika faha-5 izany fanovana izany, ary mitondra ny fandriampahalemana sy ny fitoniana ary ny rariny sosialy eto Madagasikara", hoy izy ireo. Noho izany, nanambara ny G5 fa vonona handray anjara hatrany amin'ny firenena sy vahoaka Malagasy. Nanipika ny G5 tamin'ny alalan'ny mpitarika Rtoa Njaka Tharsile fa mahari-pery, mbola manantena ny fahavitrihan'ny fikaonandoham-pirenena araka ny tetiandro napetraky ny FFKM. Efa nihaona tamin'io rafitra io, ka efa manomboka ny fanomanana sy ny dingana samihafa. Manizingizina fa ny fifampiresahan'ny Malagasy dia tokony hafainganina. Nampahatsiahy fa tokony hiainga avy any ifotony ny fanapahan-kevitra rehetra,...
Toky R
 

Dans la même rubrique