Fanavaozana ny Repoblika ny didim-panjakana LF°2026-1822, manambara fa rahampitso zoma 24 jolay 2026 dia ho andro-pisaonana-pirenena manerana an’i Madagasikara. Natao ho fahatsiarovana ireo niharam-boina tamin’ny fakàna an-keriny sy famonoana olona izay nambaran’ny Fanjakana fa atao hanakorontanana ny fitoniana ara-politikan’ny Fanjakana Malagasy. Araka ny lalàmpanorenana sy ny didy-panjakana faha-2025-1135, ny Kolonely Michaël RANDRIANARINA no misahana ny andraikitra maha Filoham-panjakana, taorian’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ny Oktobra 2025. Izy no nanao sonia ny didim-panjakana vaovao, izay manamafy ny fahefana ara-dalàna sy ny fitohizan’ny asa eo amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Nambara fa mandritra ny andro-pisaonana dia ahidina amin’ny antsasany ny tsorakazo misy ny sainam-pirenena manerana ny tanin’ny Repoblika, voarara avokoa ny fety sy ny lanonana am-pifaliana, ary andro tsy iasana fa andraisan-karama ny 24 jolay. Noho ny hamehana, namafisina fa manankery avy hatrany ny didim-panjakana rehefa ampahafantarina amin’ny alalan’ny fampielezam-peo, fahitalavitra, ary amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.
Toky R