araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Raha hiverenana dia mpamory hetra iray sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana no nisy nitifitra teny Imerinkasinina, ka niezaka nanavo-tena saingy tra-doza ilay fiara. Iry voalohany maty tao anatin’ny fiara ary ilay mpiraki-draharaha kosa namoy ny ainy teny amin’ny Hopitaly HJRA. Bala miisa 3 no hita teny an-toerana, ka ny roa voalaza fa nitifirana ilay mpamory hetra, raha ny tatitry ny manam-pahefana. Olona iray no voasambotra ny androtr’iny. Tratra niaraka taminy ny basy nampiasaina. Ny ampitson’io, nisy olona 5 voasambotra. Tafiakatra 12 ireo voarohirohy ho nifandray mivantana na ankolaka tamin’ity raharaha ity.
MISY POLISY
Polisy am-perinasa ny 4, misy vehivavy teratany sinoa, misy olona vao avy nivoaka ny fonja, misy mpamerin-keloka efa in-droa tany am-ponja… Tambajotran-jiolahy. Misy ifandraisany amin’ireo namono noho ny resaka tombotsoa ireo namono. Misy ihany koa ireo mpitandro filaminana, olona mpamerin-keloka avy any am-ponja, teratany vahiny,… ka misy amin’ireo voasambotra no tafiditra ao anatin’ny tambazotran-jiolahy raha ny fanambaran’ny mpitandro filaminana. Nisy fiara marika sprinter ihany koa nogiazana. Raha ny fanapahan-kevitra ny fampanoavana omaly dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny 11 lahy, ary eny Antanimora kosa ilay vehivavy iray.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny