nokarakarain’ireo antokon’olona sy fikambanana maro samihafa niazo an’Ampefy omaly Alatsinain’ny Paska. Tsy tafiditra tamin’ireo toerana nampanantenaina azy ireo mantsy ny ankamaroan’ireo mpitsangatsangana noho ny hamaroan’ireo mpitsangatsangana hafa avy aty an-drenivohitra tonga andro mialoha tany an-toerana sy ireo mponina teny amin’iny faritra iny. Anisan’ireny ny tany Geyser izay tena rakotr’olona tanteraka. Ny tao amin’ny chute de la Lily sy ny ilot de la vierge ka lohan’olona sisa no nojerena.Raha tsiahivina anefa dia 27.000 Ar isan'olona ka hatramin’ny 55.000 Ar ny vola naloa ho an’ny olona iray arakarak'ilay mpikarakara. Tafiditra tao anatin'io ny saran-dalana sy ny fidirana rehetra tany amin’ireo toerana manan-tantara toa an’i geyser sy chute de la lily. Na izany aza dia tsy tokony ho variana amin’ny fakana volan’olona kosa ireo mpikarakara fa tokony ho fantany fa tsy maintsy be olona ireny toerana manan-tantara ireny rehefa andro fety tahaka izao, indrindra fa ny alatsinain’ny Paska. Sady manome fanafintohinana olona mantsy izy ireo no mety tsy hisy hahatoky intsony ka mety hanimba ny asany izany. Nentina nampialana voly tamin’izay toerana hita fa malalaka fotsiny noho izany ireo mpitsangatsangana.
Nangonin’i Pati
Legende : Hipoka olona ny lalana nankany amin’ny Geyser !
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny