airtel

Actualités

21-sept-2022

Actualités

Yan Wilfried Ramananirina “Omeo ny manampahefana ilay porofo raha misy”

Sample post image

Amin’ny maha talen’ny kabinetra ny tena dia tsy hoe misolo vaika ny akalana akory, hoy ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny mponina, Yan Wilfried Ramananirina, fa minisitra no resahana.

21-sept-2022

Minisitera no dikan’izany no voatonona, hoy izy. Tsy hitako ny maha talen’ny kabinetra ahy raha tsy mahavita miatrika izao olana izao ary adidiko izao. Anjarako ny miantoka ny serasera manoloana an’io. Ny lalampanorenantsika no mametraka ny atao hoe “présomption d’innocence” na fiahiahiana aloha. Raha hampangaina gazety ho mangalatra ny lehibeko dia manana an’izay “présomption d’innocence” izay aloha izy fangatahana fanazavana fa faharoa dia manana ny zo hamaly na “droit de réponse” koa izahay. Misy ny andininy faha 58 ao anatin’ny sata mifehy ny fifandraisana izay mametraka ny adidy aman’andraikitrareo mpanao gazety hoe tsy tokony hamoaka zavatra tsy ananana porofo. Ny gazety Taratra nanao hoe misy olona ambony ahiana fa ny an’ny La Gazette de la grande Ile dia nambaran’ny mihitsy fa atidoha nikotrika ilay fanapohana solika ny minisitry ny mponina. Manana porofo izy izany ka izay no angatahako hahafahanay miaro tena na hahafahanay miaiky hoe diso izahay. Tsy manana olana amin’ny mpanao gazety malagasy na amin’ny orinasa La Gazette de la grande Ile ny tenako sy ny minisiteran’ny mponina fa mba mangataka amin’ny talen’ny famoahan’ilay gazety hamoaka ilay porofo. Mba omeo ny manam-pahefana any Toamasina izay manao fanadihadiana amin’izao fotoana izao hivoahan’ny marina. Raha tsy izay dia ho heverinay ho mpanao herisetra mifototra amin’ny maha lahy na vavy ianao. Malahelo ny sain’io olona io izao. Hitantsika rehetra ny soa nataony tamin’ity tanindrazana ity nefa fanasoketana toy izany no setriny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap