airtel

Actualités

12-févr-2025

ZAIA, ZAZAVAVY VAO 5 TAONA

Maty noho ny fanolanan’ny Raikeliny…

Sample post image

Ny Raikeliny ihany no fantatra fa nahavita nanolana ka nahafaty ilay zazavavy kely vao 5 taona monja antsoina hoe :

12-févr-2025

Zaia teto an-drenivohitra ny fiandohan’ny volana Febroary teo. Raha araka ny fanazavana azo dia ny alin’ny Alahady 02 Febroary nifoha Alatsinainy 03 Febroary teo no nitrangan’ity herisetra namoizana ain’olona ity. Nipetraka tany amin'ny Reniny io zaza io noho izy mbola kely loatra. Efa nisaraka 2 taona sy tapany mantsy ireo Ray aman-dReniny. Miasa amin’ny alina anefa io Reniny io, hoy ny vaovao, ka matetika ilay zaza sy ny Raikeliny no ao an-trano. Nahatsikaritra fomba fitaizana hafahafa ny mpiara-monina vokatr’izany ka nisy fotoana naka horonan-tsary mihetsika miafina. Efa nahazo fandrahonana ho faty avy tamin’ilay nahavanon-doza rahateo izy ireo hoy ny vaovao, andro maromaro talohan'ilay fanolanana nahafaty ilay zaza. Nandritra ny fanadihadiana notarihin’ny fiarahamonina moa ka nahazoan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny vaovao no nahafantarana fa simba ilay zaza. Natao « autopsie » rahateo izy vao nalevina ; hoy ny vaovao. Nosamborina avy hatrany ilay Raikelin’io zaza io izay voalaza ho miaramila ka fantatra fa niakatra fitsarana omaly Talata 11 Febroary ny raharaha. Manantena sazy faran’izay mafy sy henjana indrindra ho an’ity Raikeliny nahavanon-doza ity ireo mponina nahita sy nahalala ny zava-nitranga. Tsy vao sambany rahateo no nisian’ny tranga tahaka izao izay tokony hampieritreritra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa nalevina tamin’ny Zoma teo ilay tsy manan-tsiny !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap