izao ny hoe inona no lalan-kizorana ialàna amin’ny krizy, hoy ny mpanao politika, Zakahely Boniface. Olona mahay mamakafaka no tokony mba tendrena amina toerana, raha tsy maintsy hanendry ihany, hoy izy, mba tsy hiverenan’ny lesoka tany aloha. Manoloana ny resaka mandeha amin’izao hoe olon’ny teo aloha ihany no manodidina ny fiadidiana ny fanavaozana dia mety misy fahamarinana. Raha mijery ny raharaha andramena tamin’ny fotoan’andro tany amin’ny faritr’i Mananara dia misy olona tsy dia mazava tsara koa voatendry, izay mbetika avy amin’ny antoko tatsy. Mbetika avy ary. Mbetika avy atsy. Nopotehin’ny fitondràna Rajoelina izahay ary izany no nahatonga anay nangingiana tato afara satria rehefa voafonja ianao dia tsy hisy hijery anao any afa-tsy ny havanao. Nilaza aho tamin’izany fotoana izany hoe potehina ankehitriny ny toe-tsain’ny olona marina, tia tanindrazana, manan-kevitra hampandrosoana ny firenena. Nopotehina ny moralin’ny karazan’olona toy izany hoe na izy samborina na amboarina, izany hoe hampanginina. Ny mpanao politika dia natao hitady toerana. Ny toetsaina mampalahelo anefa dia ny hoe rehefa mahazo toerana ianao dia manilikilika ny sasany. In-droa isan-kerin’andro ireo no mandeha Mananara nanondrana andramena na «bois de rose» tamin’izany fotoana izany. Tsy hihinana ny vokatry ny taninay ve izany izahay? Tokony mba hifanarahana izany. Anaovy tolobidy iraisampirenena io! Tsy hajaina eto ny fandrindram-pahefàna isam-paritra. Ny mpanao politika tokony hahazo toerana politika. Ny tafika koa tokony ho arak’izay. Alaim-panahy ihany indrindray miheritreritra hoe ny olona tia tanindrazana, tena mijoro ho an’ny firenena ve izany tsy tian’ity malagasy ity fa ny olona malaza ho mpanodinkodina volam-panjakàna na mpamono olona no tadiavin’ny malagasy. Ireny no manana V8 eto sy ity rehetra ity. Mafy izay nanjo ny tena izay. Nogadraina, nopotehina ny fananana, hatramin’ny reniko aza nafoiko. 54 taona ny reniko no tapaka lalan-drà. Ny fiarako aza tsy nomena ahy. Notapahina ny karamako. Hatramin’izao tsy mbola nisy fanadihadiana natao tamiko teny amin’ny zandary na fitsaràna izany fa avy dia tany. Mba izay olona tena mahay omena toerana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija